• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 28, 2025

Oh, tena tsy nahatratra ianao! 🙉

Andro namoahana Sep 28, 2025

Nisy fotoana ve ianao tsy afaka nanatrika fotoan-dehibe iray teo amin'ny fiainanao? Izaho manokana dia efa nisy vitsivitsy tsy natrehako.

Taona vitsivitsy lasa izay, dia nikarakaraka fitsangatsangana nandritry ny herinandro tao amin’ny trano iray any ambanivohitra, ireo vondrona tanora tao am-piangonanay. Nisoratra anarana daholo ny namako ary nanomboka nanomana ny diany. Izaho manokana dia tsy afaka nandeha. Be dia be ny asa tsy maintsy vitaiko tany amin’ny oniversite, ary mbola nisy andraikitra hafa koa aho ankoatran’izay.

Nanapa-kevitra ny tsy handeha aho tamin’ny farany, ary nieritreritra ihany koa 🙈—fa mety fotoana toy ny mahazatra ihany io, ka tsy ho faty antoka be aho raha tsy mandeha . Fahadisoana lehibe! 🙉

Eny, izany fotoana izany no faran’ny herinandro tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny fikambanan’ny tanoranay! Niaina fotoana mahafinaritra ny rehetra, ary taona maro taorian’izay, dia mbola tsy nitsahatra nitantara tamiko momba ny zavatra niainany tany izy ireo. Tena tsy nampoiziko hoe tsy mba nanatrika izany fotoana izany aho!

Indraindray tokoa dia tsy misy ifandraisany amin’ny zava-misy ny zavatra andrasantsika, ary mihatra amin’ny vavaka koa izany. Mety ho toy ny mahazatra hatrany ny fahitantsika fotoam-bavaka iray, toy ny fiainana andavanandro, ary tsy heverintsika fa ho zavatra miavaka izany. Eny, tian’Andriamanitra ho miavaka anefa ny fotoam-bavakao!

Hoy ny Tompo tamin’i Daniela mpaminany: “Ry Daniela malala î, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao.” ( Daniela 10:11 ). Ary izany teny izany koa no lazainy aminao anio: "Ry malala, fantaro ny teny izay lazaiko aminao."

Te hiresaka aminao Andriamanitra. Rehefa miresaka amin'Andriamanitra ianao dia miresaka aminao Andriamanitra! Raha ny marina dia miteny amintsika mihoatra noho izay heverintsika Izy. Andao hiara hanandratra izao vavaka izao isika hoe: "Tompo ĂŽ, mangataka aminao aho anio mba hanokatra ny sofim-panahiko mba handre ny feonao. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amen!"

Anio, miomĂ na hihaino Azy! Ato am-poko manokana ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.