๐ Oay, tena maro izany zavatra efa nitranga izany!
Efa niainanao ve ilay fotoana rehefa mampiseho fahatsiarovana taminao i Facebook, dia hoy ianao hoe: “Oay, tena maro izany zavatra efa nitranga izany!”
Izany indrindra no niainako tsy ela akory izay, rehefa nampahatsiahy ahy ny tsingerintaona nahaterahan’ilay namako taloha i Facebook. Tamin’izany fotoana izany, niresaka momba ny fanambadiana izahay, saingy, indrisy, lehilahy tia tena izy io, tahaka an’ireo tantara amin’ny sarimihetsika, ka lasa niaraka tamin’ny vehivavy tanora kokoa noho izaho...
Fantatro tsara ny halalin’ny fanaintainana ateraky ny toe-javatra toy izany – saingy tsy izany akory no tiako horesahina anio. Io fahatsiarovana io anefa no nampahatsiahy ahy fa nanao sorona ny nofinofiko ho azy aho tamin’izany fotoana izany. Nanao izay hahatanteraka 100% ny nofiny aho, fa tsy ny ahy.Ohatra, ilay boky nokasaiko soratana, tsy vitako mihitsy. Ny hira tao am-poko, tsy nisy tafavoakako. Tsy nampiasaiko intsony ireo talentako, izay tena fanomezana avy amin’Andriamanitra… Satria, tamin’ny fijeriny, tsy nisy dikany ny zavatra rehetra noeritreretiko !Ary indrindra, izaho tenako aza nanamafy ny fisalasalako tamin’ny alàlan’ny fanekeko ireo teny nolazainy tamiko!Azonao ve fa fandrika izany? Ny zavatra rehetra tanterahiko ankehitriny dia efa tao am-poko hatramin’izay! Saingy noho ny fisalasalako dia tsy nisy nihetsika… fa nijanona tanteraka !Ao amin’ny bokin’i Jakoba, mahita hafatra mahery isika momba ny fisalasalana: “ fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.” (Jakoba 1:6)Ianao koa ve efa tratry ny fisalasalana ka tsy nahavita nanohy ny lalanao? Mety efa naheno teny toy izao ianao: “Fa angaha ianao mba manana nofinofy? Tsy hahavita izany mihitsy ianao!”Ary noho izany ve dia nijanona ianao?
Tadidio, ny Tenin’Andriamanitra dia ambonin’ny tenin’olombelona foana!
Te hamporisika anao aho anio mba hieritreritra hoe: Efa nisy toe-javatra navelanao hanakana anao ny hiroso ve ? Raha eny, apetraho eo an-tanan’i Jesosy ny fisalasalanao ary angataho Izy hanampy anao hanomboka indray. Ary indray andro any, ho afaka hibanjina ny lasa ianao ka hilaza hoe: “Oay, tena maro izany zavatra efa nitranga izany!”Ianao dia fahagagana !
