Ny tsy azo atao intsony dia lasa azo atao
Manana nofinofy tsy mitombina mihitsy ve ianao - izay toa tsy ho tanteraka mihitsy? Te hiala amin'ny fiankinan-doha ve ianao - angamba amin'ny pôrnôgrafia mihitsy aza - izay manaisotra aminao ny fifaliana amin'ny fiainana andavan'andro?
Raha izany no izy, dia tsy diso anjara ianao ! Eo anatrehan'Andriamanitra ! Miaraka amin'ny faharesen-dahatrao...! Mino ve ianao ? Tsy te hilaza aminao aho hoe: "Mino ve ianao fa ho tanteraka ny nofinao ?" fa hoe: "Mino an'Andriamanitra ve ianao ?"
Te-hahita ny endriky ny tarehinao aho izao ankehitriny izao, satria azo antoka fa hamaly ianao hoe: "Mazava ho azy, raha tsy izany dia tsy ho namaky ny hafatrao aho."
Vao haingana aho no nijery indray ny tantaran'i Abrahama sy Saraha. Ny fomba nahafahan'Andriamanitra nanome an'i Saraha - izay momba ary efa 90 taona -zanaka ! Tsy ho sahy nanonofy zavatra toy izany akory i Abrahama !
Rehefa nambaran'Andriamanitra taminy izany, dia nandohalika izy, nikasika ny tany ny handriny, ary nanomboka nihomehy ! (araka ny Genesisy 17:17) Nisalasala tamin'izay nolazain'Andriamanitra izy ! Kanefa, ao amin'ny Taratasy ho an'ny Hebreo, dia mamaky izao isika:
"..mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro..” (sombiny avy amin'ny Hebreo 11:11-12)
Nahazo hery i Abrahama mba hiteraka tamin'i Saraha vadiny - izay momba - tamin'ny taona izay toa tsy azo noeritretina intsony.
Mbola ny finoany ihany teto no antony izany. Resy lahatra i Abrahama fa azo itokisana Ilay nampanantena azy zazalahy.
Mandritra izany fotoana izany, nisy zavatra niova tao am-pon'i Abrahama. Nanova ny fisalasalany ho amin'ny fahatokisana izy - ary niaina ny Fahagagany !
Ny tsy azo atao dia lasa azo atao rehefa mino sy mametraka ny finoanao amin'Andriamanitra ianao !
Ny fanalahidy dia ao amin’ity fehezanteny ity : Resy lahatra i Abrahama fa mendri-pitokisana Ilay Nampanantena azy zanaka.
Mba hanontany anao koa aho: Resy lahatra ve ianao fa Ilay miteny hoe: "Ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo!" (Jaona 8:32), dia tena azo itokisana ve?
“Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6).
Izao no tiany hatolotra anao anio: "Tiako ny hanafaka anao, raha matoky Ahy ianao, asandrato ny vavakao, ary minoa ny fahagaganao !"
Vonona ve ianao hanakalo ny fisalasalanao amin'ny fitokisana ?
Fahagagana ianao!