• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 27, 2023

Ny teny hoe famelan-keloka dia mitovy amin’ny Fahasambarana.

Andro namoahana Mar 27, 2023

Ny teny mitovy dika dia teny samy hafa fa mitovitovy hevitra. Anio maraina aho dia afaka manamarina amin’ny tenin’Andriamanitra fa ny teny hoe famelan-keloka dia mitovy hevitra amin’ny fahasambarana….

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.” (Salamo 32:1-2)

Satria ny ran’i Jesosy nalatsany ho anao ho tambin’ny fahadisoanao dia midika fa tsy eo an-tsorokao intsony ny vesatry ny fahotanao fa eo amin’’i Jesosy.

Tsy tokony hitoetra anaty tahotra na anaty fanamelohan-tena intsony ny fanahinao satria Jesosy no nitondra ny fahotanao. Ka noho izany indrindra, ny famelan-keloka dia midika hoe fahasambarana. Ny fiadananao dia feno, vita ary tonga lafatra noho ny amin’ny famelan-keloka nataon’’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao.

Ny fahasambarana omen’Andriamanitra anao dia feno ary maharitra mandrakizay, vokatry ny famelany heloka tsy manam-petra.

Misaora ny Tompo miaraka amiko noho ny amin’ny fahasoavany sy ny fahasambarana omeny anao….

“Tompo ô, misaotra. Misaotra noho ny amin’ny ran’i Jesosy, noho ny vidin’ny fahotako, izay tsy vesarako eo an-tsoroka intsony. Misaotra anao noho ny fiadanana sy fahafafana izay tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy. Misaotra anao ny fanahiko Tompo ô, noho izay rehetra vitanao sy izay ataonao! Amen”

 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.