🔥Ny rivotry ny Lanitra!
Manohy hatrany amin’ny andalan-teny sy ny lohahevitra tao anatin’ny andro vitsy ity isika. Ary araky ny efa hitantsika teo aloha dia tsy afaka miafina isika!
Raha toa ka tazana avy lavitra ny tanàna iray eny an-tampon’ny tendrombohitra dia alaivo sary an-tsaina ny famirapiratan’ny hazavana eo afovoan’ny haizina!
Izao no lazain’i Jesosy: “Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.” (Matio 5:15)
Na tsy dia mazava aza ny jiro iray, dia manana hery izany hitsilo ny maizina anaty lalina indrindra, sy ho tazana avy eny lavitra.
Misy hazavana mahery mamiratra ao anatinao: ny fahazavan’Andriamanitra izany. Eny, Andriamanitra mihitsy no nanazava ny fonao rehefa nanolotra ny fiainanao ho Azy ianao ka nihaona Taminy!
Ny Fitiavany sy ny Fanatrehany no nanazava anao mba hisolo ny Fiadanany, ny Fitahiany, ny Fahazavany ankehitriny, izay nanjakan’ny haizina tao aminao…. Noho izany, manomboka izao dia mitondra io jiro io miaraka aminao ianao na aiza na aiza alehanao. Io fahazavana io no anisan’ny famantarana ny maha Zanak’Andriamanitra anao.
Indraindray anefa isika dia manafina io fahazavana io ary mino aho fa efa samy niaina toe-javatra iray tsy dia nampamiratra antsika isika….
Manosika anao aho mba hisaina fotsiny an’izao:
Raha saronanao ny hazavan’ny labozia dia tsy manazava ny hafa intsony izany, no tsy manazava anao ihany koa. Mitondra anao anaty fahamaizinana tanteraka. Ary raha sarona tanteraka ny labozia dia tsy misy rivotra afaka miditra intsony ka ho faty ho azy izany amin’ny farany.
Ry namako, mandritry ity tontolo andro ity dia esory izay rehetra manakona ny hazavanao, ary avelao izy hamirapiratra!
Anio, mamporisika anao aho hanandratra vavaka amin-kitsim-po amin'Andriamanitra, mba ny rivotra avy an-danitra anie no hihazona ny famirapiratan’ny hazavan’ny fiainanao tsy ho faty. Mba ho fitahiana lehibe ho anao sy ho an'ny hafa anie ny fahazavanao 😉
Ato am-poko sy anaty vavako ianao
Fahagagana ianao!
