Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty!
Vitantsika ny namakivaky ity herinandro masina ity sy nankalazaintsika fa misy FANANTENANA amin’ny andro rehetra!
Ny alahadin’ny fitsanganana amin’ny maty (na Paska) dia tratrantsika ny faratampon’ny herinandro masina. Ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty no tranga manan-danja indrindra amin’ny finoantsika! Ny tena fototra hiorenan’ny tena Kristianina dia miankina amin’io ary inoako fa ny teny rehetra ao dia marina!
Ny Alahady vao mangiran-dratsy dia nisy vehivavy maromaro (Maria Magdalena, Joanna, Salome, ary Maria renin’i Jakoba) nakany am-pasana ary nahita ny vatobe nikodia. Nisy anjely nanambara ny fanantenan’izao tontolo izao!
“Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo.” (Matio 28:5-6)
Velona Jesosy ary tena misy ny fanantenana! Resy ny fahafatesana! Nandresy ny fahafatesana sy ny hazo fijaliana Jesosy! Nanao lalana ho anao sy ho ahy Jesosy ho any amin’ny Ray ary mba ho voavonjy!Marina izany. Marina ny filazantsara ary fahagagana izany!
Ny tena tiako ao amin’ny tantaran’ny fitsanganana amin’ny maty dia izazy nitranga nandritry ny tontolo andro. Eny tiako hoe velona indra Jesosy fa tiako koa hoe nankalaza ny fitsanganana amin’ny Izy-niaraka tamin’ireo mpanara-dia Azy! Tsy faly ve ianao fa anisan’ireo koa ankehitriny? Izaho koa!
Tamin’ny andro nitsanganany tamin’ny maty dia niseho in-dimy Jesosy. Ny filazantsaran’i Marka dia milaza fa niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena Izy. avy eo niseho tamin’i Petera, tamin’ny mpianatrta anankiroa teny an-dalana ho any Emaosy ary ny hariva dia niseho tamin’ireo mpianatra (ankoatran’i Tomasy) raha niangona tao an-trano nivavaka izy ireo.
Niseho Jesosy! Rehefa nila Azy fatratra ireo namany dia niseho tamin’ny fomba mahagaga Jesosy. Rehefa nanao izany Jesosy dia niova ny fiainana ary toy izany koa ny tantara! Ireo nahita maso voalza ao amin’ny Filazantsara dia porofo tsy azo lavina fa nitranga ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty! Roa arivo taona aty aorian’ny nahafatesany dia maro ireo mpanara-dia Azy no mizotra makany Jerosalema mijery ilay fasana foana. Efa nitsangana Izy!
Makà fotoana kely ary mipetraha – Velona Jesosy ary nanao izany REHETRA izany ho anao! Tena fahagagana! Misaotra an’i Jesosy tamin’izay rehetra nataony. Misaora Azy noho ny famonjenao. Misaora Azy noho ny fiainanao sy ny fahafahanao hahita ny fahagagana nataony isan’andro.
Ianao dia anisan’ireo fahagagana ary manompo Mpamonjy Velona!