💝Ny mpiray tampo aminao dia fanomezana avy amin’Andriamanitra!
Omaly isika dia niresaka momba ny fomba tokony hisehoan’ilay fifandraisana lavorary eo amin’ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny ankohonantsika.
Nifantoka tamin’ny ankohonana ara-nofo isika omaly, satria ao anatin’izany no misy ny akon’ny fitiavan’Andriamanitra lalina indrindra eo amin’ny fiainantsika. Tena zava-dehibe ny fianakaviana, satria izy no “ivon’ny fiainana” nambarantsika omaly.
Na izany aza, tsy voafetra ho amin’ny ankohonana ara-nofo ihany izy io. Manana ankohonana ara-panahy koa isika, ireo rehetra manapa-kevitra hanaraka an’i Jesosy dia lasa rahalahy na anabavy ho an’izay efa manaraka Azy.
Ity fianakaviana ara-panahy ity dia afaka ho lasa tena fitahiana ho an’ny fiainantsika! Tsy fantatro izay niainanao momba an’io, na raha nisy ratram-po ara-pifandraisana niainanao tamin’ny mpino hafa tamin’ny lasa, mety ho tonga hatramin’ny hoe tsy te hahalala momba ny Fiangonana intsony aza ianao.
Na inona na inona tantaranao, mamporisika anao aho hihaino izay lazain’ny Baiboly: “Fantatsika fa tafafindra avy tamin’ny fahafatesana mba hiditra ao amin’ny fiainana isika, satria tia ireo namana iray finoana. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany.” (1 Jaona 3:14).
Toy ny ankohonana ara-nofo, mety ho sarotra ihany koa ny fiainana ao anatin’ny ankohonana ara-panahy. Na izany aza, sarobidy indrindra amintsika izany! Tsara sy mahafinaritra ny mahita olona manaraka an’i Jesosy amin’ny fony rehetra, ary maneho ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny fomba tena hita sy tsapa.
Jereo izay lazain’ny andininy: ny fitiavantsika ny rahalahy sy anabavy no porofo ao am-pontsika fa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika.
Ry namako, aza mitsahatra ny mitia ny hafa, indrindra fa ireo mpiray tampo aminao! Na eo aza ny lesoka sy ny tsy fahombiazany, dia fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao izy ireo.
Ireo kristianina izay miaina ao anatin’ny fanenjehana noho ny finoany dia tena mahafantatra tsara io fahamarinana io.
Ianao dia Fahagagana!
