🤓 Ny maha zava-dehibe ny fomba fijery mazava!

Anisan'ny zavatra ratsy indrindra eo amin'ny fiainana ny tsy fananana fahitana. Ary tsy ilay fahajambana no tiako resahana eto fa rehefa isika tsy ampy fahitana momba ny fiainantsika ka tsy fantatsika izay zavatra tokony ho vitantsika na ny fomba hanaovana izany.
Taona maro lasa izay, dia tonga teo amin'ny fotoana lehibe indrindra teo amin’ny fiainako aho. Tamin’izany fotoana izany dia tena tia an’Andriamanitra aho ary te hanao ny Sitrapony: anisany nandray anjara tamin’ny hetsika rehetra tao am-piangonana aho... Eny, nandany fotoana betsaka tany am-piangonana aho mihoatra noho ny tao an-trano! =)
Saingy, tetsy andaniny koa anefa dia tsy tena tompon'andraikitra aho teo amin'ny ireo sehatra hafa lehibe teo amin'ny fiainako, anisan'izany ny asako sy ny fianarako. Raha ny marina dia tsy fantatro mazava izay tian’Andriamanitra hataoko eo amin’ny fiainako, ary noho izany indrindra dia tsy nisy fandrosoana teo amiko, ary nahatsiaro tena malemy sy very hevitra tanteraka aho…
Hoy ny voalazan'ny Baiboly: "Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra." (Ohabolana 29:18) Rehefa tsy manana fahitana momba ny fiainantsika isika, dia manomboka mandray fanapahan-kevitra diso, izay heverintsika fa avy amin’Andriamanitra izany, hany ka tojo toe-javatra izay tsy fantatsika intsony hoe aiza no misy antsika na inona no tokony hataontsika mba hiverenana amin’ny lalana marina.
Efa nitranga taminao ve izany? Tamin’ireny fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainako ireny, dia nanampy ahy handamina ny zava-drehetra Andriamanitra. Ray tsara tokoa Izy, ilay Mpiandry Tsara izay manampy ny ondriny very rehefa tsy fantany intsony izay tokony hatao!
Ny herim-panovan'ny fahitana dia ny fahamarinana izay voasokitra lalina tao am-poko ary nanova ny momba ahy manontolo tamin'izany fotoana izany.
Ry namako, mila vina mazava ho an'ny fiainanao ianao! Te hanome anao izany Andriamanitra, ary izao no fotoana tsara indrindra hitadiavana izany, raha tsy mbola nanome anao Andriamanitra.
Mandritry ny andro manaraka, dia mbola te hanohy hitari-dalàna anao amin'ity lohahevitra ity aho, ary hotantaraiko amin'ny antsipiriany ny dingana nodiaviko, ary hanome anao ireo fanalahidy izay ahafahanao miaina fiovana lalina koa. Mino aho fa hisy fiantraikany lalina eo amin'ny fiainanao ity lohahevitra ity!
Fahagagana ianao!

