✅ Ny maha zava-dehibe ilay Toerana miafina

Angamba efa nahare momba ilay “toerana miafina” avokoa isika sy ny maha zava-dehibe ny fanokanana fotoana isan’andro miaraka amin’Andriamanitra mba hanakaiky Azy bebe kokoa.
Maro ireo andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba io Toerana miafina io amin’ny fampiasana sari-teny toy ny fialofana, fiarovana, “Toerana voatokana”... fa ilay andininy tena mahalaza io Toerana miafina io indrindra dia tamin’I Jesosy nananatra ny mpianany nanao hoe :
“Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.” (Matio 6:6)
Fantatr’I Jesosy soa aman-tsara io resaka io satria Izy dia Andriamanitra. Fa tsy noho izany ihany, raha ny marina, fa nandritra ny taona maro, dia efa niaina sy nampihatra ny fitsipiky ny fisintahana mba ho irery miaraka amin’ny Ray Izy, ary nahita ny fahatanterahan’io fampanantenana io imbetsaka teo amin’ny fiainany.
Izaho sy ianao dia manaiky fa zava-dehibe ny fanokanana fotoana miaraka amin’Andriamanitra, isan’andro. Nefa koa mety misy zava-mitranga sasany manakana antsika tsy hanokana fotoana miaraka Aminy ao amin’ilay “Toerana miafina” andavanandro, na koa isika dia tsy mahay manokana fotoana ho irery ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra izay tena mitondra hery ho antsika.
Ry namako, te hiaina fotoana sarobidy irery miaraka aminao Andriamanitra ao amin’ilay Toerana miafina!
Izay no mahatonga ahy te hizara aminao mandritra ny andro vitsivitsy, ireo singa manan-danja lehibe izay mifototra amin’ny tenin’Andriamanitra anio. Mino aho fa rehefa mampihatra izany isan’andro isika dia afaka hiaina fotoana feno fifaliana, hery, ary fahasoavana ianao, irery miaraka amin’Andriamanitra.
Mivavaka aho mba aorian’ity andian-tsoratra ity, ho toerana tianao indrindra ilay Toerana miafina, amin’ny Anaran’I Jesosy! Amen! 😉 🙌🏻
Manasa anao aho izao hivavaka. Tsarovy fa entiko am-bavaka sy ato am-poko ianao!
Fahagagana ianao

