• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 11, 2025

🆔Ny maha ianao anao vaovao

Andro namoahana Mey 11, 2025

Anio dia te hiresaka aminao momba ny nataon’I Jesosy ho anao aho… Mety efa ela ianao no nanaiky an’I Jesosy, mety vao omaly na mety mbola miady amin’ny tenanao…Tiako ny mampiseho aminao anio ny hasarobidin’izany toetra vaovao noraisinao (na horaisinao) izany sy ny zavatra rehetra miova aorian’ny fanapahan-kevitrao ! 

« Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika. » (1Korintiana 1:30B)

Hitanao? Mila an’i Kristy ianao! Kristy no fahamarinanao. Raha tadiavinao anaty rakibolana ny teny hoe fahamarinana dia izao ny fanazavana ho hitanao ao: “Fahamarinana = amin’ny alalana fitsipika iray”.

Mahafinaritra aok’izany ny mahalala izany…Tsy misy fanazavana tsara noho izany ! Izay an’i Kristy dia voamarina - noho ny fitsipika. Sarotra be amintsika olombelona ny manakatra izany, satria isika dia mahita antony maro handavana toy ny hoe “mbola manao fahadisoana maro loatra aho”.

Tena izany tokoa ary mbola hanao hadisoana foana ianao hatramin’ny farany. Raha amin’ny herin’ny tenantsika dia tsy hahavita hiaina anaty fahatanterahana izany isika. Ary eo indrindra ny hakanto sy ny hatsaran’Andriamanitra no miditra an-tsehatra dia rehefa milaza Izy manao hoe: “Indro, ambarako amin’ny fitsipika fa nohamarinina ianao. Izaho no Andriamanitra ary manambara izany aho satria TIAKO tsy misy fepetra ianao.”

Fantaro fa voaova ho anao teo ambony hazofijaliana ny zavatra rehetra! Tsy vitan’ny hoe voavela ny helokao, araka izay voalaza ao amin’ny taratasy ho an’ny Romana manao hoe: “…Ary amin’izany hianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy.” (Romana 7.4)

… fa mbola tonga « olom-baovao » ihany koa ianao araka ny fiteny mahazatra antsika. Marina fa mbola mety manao hadisoana toy ny taloha io olom-baovao io saingy ny maha-samy hafa azy dia : mijery anao amin’ny mason’ny fitiavana Andriamanitra, ary tamin’ny alalan’i Jesosy dia tanteraka ho anao teo amin’ny Hazofijaliana ny zavatra rehetra, noho ny fitiavana !

Ianao koa manĂ na io fomba fijery vaovao feno fitiavana io !

Raha mbola mpanota ny fahitanao ny tenanao dia ho sarotra aminao ny hiaina ny toetranao vaovao ! Saingy raha manaiky ny toetra vaovao izay nomen’Andriamanitra anao ianao ka mijery ny tenanao toy ny fijeriny anao dia ho mora kokoa aminao ny manaiky ny Famindrampony raha lavo ianao.

Hamaranana ity andian-dahatsoratra ity dia maniry ny hampahatsiahy anao aho hoe “eny, afaka ny hisy izany ka vonona ve ianao ny handray azy ? » Minoa ahy fa hifanaraka tsara amin’ny maha ianao anao io toetra vaovao io !

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.