• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 10, 2025

⚠️ Ny loza ateraky ny firoroan-tsaina!

Andro namoahana Feb 10, 2025

Indraindray isika kristianina dia toa miaina anaty fanoherana izany. Amin’ny lafiny iray dia mino ny Teny sy ny fampanantenan’Andriamanitra isika fa amin’ny lafiny iray koa dia sarotsarotra amintsika ny hino hoe hiantraika amin’ny fiainantsika tokoa ireo fampanantenana ireo.

Efa mety nisy fotoana hoe nivavaka ianao nangataka zavatra tamin’Andriamanitra fa ny tena marina dia tao anatinao lalina tao dia tsy nino firy ianao hoe ho tanteraka izany vavaka izany…

Mety koa hoe nivavaka nangataka zavatra tamin’Andriamanitra tam-pinoana, tam-pifaliana sy ninoanao fa hihetsika Izy amin’io tranga io…fa ora vitsy aty aoriana, na ny ampitso, na andro vitsy aty aoriana dia nihalefy izany ka nanome toerana ho an’ny fisalasalana sy ny fisainana miiba.

Izany toetra izany no antsoin’ny Baiboly hoe : “Firoroan-tsaina”: amin’ny lafiny iray dia mino isika, fa ny iray kosa dia tsy mino isika. Mahatsiaro tena eny an-tampon-tendrombohitra ianao amin’ny fotoana iray dia avy eo anefa toa eny amin’ny sahan’ny famoizam-po indray.

Eo amin’ny fiainana kristiana, ny fananana saina roa tahaka izany, sy ny tsy fahavononana, dia olana lehibe. Jereo anie izay lazain’i Jakoba momba izany ao amin’ny Baiboly : “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.” (Jakoba 1:5-8)Azonao ve hoe misy karazana olana vokatry ny firoroan-tsaina? Io andininy io dia maneho tsy fahampian’ny finoana, ny fitopan’ny onjan-dranomasina sy ny fiovaovan-kevitra. Mbola ratsy kokoa aza ny fampitandreman’ny apostoly hoe: “Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany” (Andininy 7).

Manakana ny vavaka ataontsika ny firoroan-tsaina ary mahatonga azy tsy hamokatra sy tsy mamela ny fampanentenan’Andriamanitra hiasa eo amin’ny fiainantsika. 

Ry namako, fotoana izao hanafahana anao amin’ny fanahin’ny firoroan-tsaina! Mandritry ny andro manaraka dia hiditra lalindalina kokoa isika amin’io andinin-tsoratra masina eo ambony io. Hizara fanalahidy maromaro aminao aho hanafaka anao amin’ny laingan’ny aizina izay mitady hitarika anao amin’ny firoroan-tsaina ka hanakana anao tsy handray ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fitahiany. Vonona ve ianao?

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.