• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 30, 2023

Ny hevitra ao ambadiky ny famelan-keloka.

Andro namoahana Mar 30, 2023

Rehefa maratra isika, rehefa sarotra ho antsika ny hamela heloka, dia azon-tahotra isika matetika : “Raha mamela azy aho dia lasa tsy maintsy hihavana indray izahay!”Tsia, tsy voatery ho izay ! Ny fandehan’ny famelàna dia aminao sy Andriamanitra aloha. Asa fankatoavana an’Andriamanitra izany.“Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3.13)Mangataka antsika Andriamanitra mba hamela heloka mba hihavanana..Aminy ! Fa tsy voatery hiverina ho naman’ilay nandratra anao ianao akory !Nefa raha izay no mitranga, dia tena tsara ny mamerina fifandraisana madio. Fa tsy fahotana akory raha tsy izay no mitranga ! Fa ny angatahan’Andriamanitra aminao dia ny hamela heloka.Rehefa mihazona lolom-po amin’ny olona anankiray isika dia lasa tsy mamela ny Fanahy Masina hiasa mahery vaika sy hitondra vokatsoa amin’ny fiainan-tsika ny toe-pontsika. Ny famelàna ny hafa dia mamerina indray ny fifandraisan’ny fontsika amin’ny fon’Andriamanitra.Ry namako, raha mandalo fotoan-tsarotra ianao dia mampahery anao aho mba hisafidy ny hanao izay manan-danja amin’Andriamanitra. Tsy mora ny mamela heloka, fa rehefa mamela heloka nefa ianao, dia manome fanomezana ny tenanao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.