Ny hery manova ateraky ny vavaka fanelanelanana
Azoko antoka fa efa henonao ilay andininy malaza izay nolazain’i Apostoly Paoly tamin’i Timoty hoe: “Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.” (1 Timoty 2:1-2).
Ny tena mahaliana dia io ny iray amin’ireo torohevitra omen’i Paoly ny zanany ara-panahy momba ny vavaka fanelanelanana ho an’ny olona fantatsika, indrindra fa ireo mpitondra fanjakana.
Tsy aiko izay efa niainanao momba an’ito, fa izaho manokana, rehefa resaka politika no atao miaraka amin’ny Kristianina, dia matetika misy fitarainana sy fanehoan-kevitra ratsy mikasika ny antoko politika na ny mpitondra amin’ny ankapobeny.
Raha ny tena izy, eny andavanandro aza, matetika isika no mandre resaka feno fitarainana momba ny mpampiasa, ny mpiara-miasa, ny rahalahy sy anabavy ara-pinoana, na ny mpianakavy aza.
Manana fahazarana isika hiresaka momba ny hafa rehefa tsy eo izy, manasongadina izay tsy tian’ny olona na izay tsy mety amin’ny rafitra, ary ny zavatra tokony hovaina… Fa ny firesahana izany dia tsy manampy amin’ny fanovana ny zava-misy, fa vao mainka aza manasaro-javatra. Tsy vitan’ny hoe tsy manampy ny hafa ny fitsikerana, fa sady mahatonga anao hieritreritra ho ambony kokoa, manajamba anao, ary manokatra ho amin’ny ozona eo amin’ny fiainanao.
Ahoana ary raha misy lakile afaka manampy ireo olona ireo na ireo rafitra ireo hiova? Ahoana raha afaka mitondra ny tenanao eo amin’ny toeran’izy ireo ianao, ary mangataka fitahiana sy fahendrena avy any an-danitra ho azy ireo? Eny, io no herin’ny vavaka fanelanelanana!
Ny vavaka fanelanelanana dia manokatra ny varavaran’ny fitahian’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ireo olona ivavahanao. Mety hoe noho ny antony samihafa dia tsy manokatra io varavarana io izy ireo, fa ianao, izay mahita ny zava-misy, dia afaka misafidy hanokatra izany ho azy ireo.
Tianao ve ny hahita ny zanakao feno ny fanatrehan’Andriamanitra, ny fanambadianao ho mafy orina, ny governemanta ho marina, ary ny lalàna mifanaraka amin’ny fon’Andriamanitra? Tokony hijanona ny hitaraina isika ary hanomboka hivavaka ho an’ireo olona ireo tahaka ny hoe eo amin’ny toerany isika. Handeha isika hivavaka ho azy ireo tahaka ny ho ataontsika amin’ny tenantsika.
Ry namako, Andriamanitra te hitahy sy hanova ny zava-misy manodidina anao amin’ny alalan’ny vavakao. Ny Fanahy Masina dia te hitari-dalana anao hivavaka amin’ny fomba mahomby mba hahafahany mikasika sy manova ny fiainan’ny olona amin’ny alalan’ny vavakao. Raha ny marina, tiany ny hampisy fiantraikany amin'ny firenenao!Fahagagana ianao !
