đź’Ą Ny herin'ny "FA..."
Iray amin’ireo zavatra mahery indrindra azontsika iainana eo amin’ny fiainantsika dia ny herin’Andriamanitra izay manafaka.
Indraindray isika dia maniry ny hanao zavatra samirery, amin'ny herintsika manokana. Rehefa manao izany isika, dia tsy mahatsapa ny hery ananantsika ao amin’Andriamanitra, izay lehibe lavitra noho izay azontsika eritreretina.
Tiako ilay andinin-teny ao amin’ny Baiboly izay miresaka momba ny fotoana nigadran’i Paoly sy Silasy tany Filipy. Voalazan’ny Baiboly fa nokapohina sy nampidirina tao amin’ny tranomaizina ratsy indrindra izy ireo, FA “Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.” (Asan’ny Apostoly 16:25-26).
Ninia tsy nijery ny zava-misy izay tena mafy nanodidina azy ireo i Paoly sy Silasy. Eny, marina fa tsy ara-drariny sy tsy nisy fanantenana ny toe-javatra nisy azy ireo. Eny, marina fa nanana antony halahelovana, ho tafintohina, ho ketraka, ary hanahy izy ireo... “NEFA”, tamin’izay fotoana izay, dia nanapa-kevitra ny tsy hijanona amin’izany fihetseham-po izany izy ireo.
Mifanohitra amin’izany tanteraka, nisafidy ny hifandray amin’ny Lanitra tamin’ny alalan’ny vavaka sy fiderana izy ireo, tamin’ny fomba mahery vaika ka nilaza ny Baiboly fa nandre izany daholo ireo voafonja rehetra sisa tao. Tsy vavaka mangina izany! Niala tamin’ny fahamarinana ara-nofo izy ireo mba hifandray amin’ny Fahamarinana any an-danitra.
Tamin’izay indrindra no nanomboka niova ny zava-drehetra. Voalohany, niova sy feno fifaliana ny fon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fiderana sy ny vavaka. Ary avy eo, nitranga ilay fahagagana: Nisokatra ny lanitra teo amin’ny fiainan’izy ireo, ary vokatr’izany dia tapaka ny rojo vy, ary tsy afaka nihidy intsony ny varavarana. Ary tsy ny varavarany ihany, fa ny an’ny voafonja rehetra koa!
Anio Andriamanitra dia te hanafaka anao amin'izay mangeja sy mamatotra anao. Ny hany tsy maintsy ataonao dia ny manafoana ny endrika fitarainana, tahotra, na fitseran-tena. Afaka manomboka mijery ny zava-misy any an-danitra ianao. Mitsangà na amin-kery, mivavaha, ary miderà an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra eo anivon’ny fahorianao. Avelao ny Lanitra hisokatra eo amin’ny fiainanao sy handrava ny varavaran’ny fonjanao, mba hiainanao ao amin’ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” ( Romana 8:21).