💡Ny hazavana, mahery noho ny haizina
Vao avy nankalaza ny Noely isika, ilay andro nahaterahan’ny Mpamonjy antsika. Kanefa, mety tsy mahatsapa an’io “Mpamonjy” io ao anatinao ianao, sa tsy izany?Nefa maniry mafy ianao ny hiaina izany bebe kokoa, mba hanombohana ny taona 2025 amin-kery, fa tsy amin’ny harerahana. Noho izany, amin’ity herinandro ity dia mikendry ny hampiseho aminao isan’andro fomba vaovao aho hahafahanao miditra ny 2025 amin-kasahiana sy amin-kery!
Isaky ny miditra ao amin’ny biraoko aho rehefa maraina mba hihaino an’Andriamanitra sy hizara aminao ireo “fahagagana” izay atolony ahy ho soratana, dia zavatra iray foana no ataoko aloha: Mandrehitra labozia aho.
Ataoko izany noho ny antony roa:
- Mba hampisy hazavana.
- Mba hahazoako aina sy hery rehefa manoratra.
Anio maraina, raha nijery ireo labozia mirehitra aho, dia nandinika zavatra tsotra nefa tena manan-danja. Toy ny tsy misy dikany ilay izy nefa mifono zavatra lalina. Andriamanitra efa nanome antsika làlana mora mankany Aminy, fa matetika isika no miolakolaka sy manadino izany…
Henoy tsara, satria tsy misy fomba mora kokoa noho izao natolony:“Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.” (Salamo 119.105).
Hoy isika: “Tena maizina ny manodidina ahy.” Hoy i Jesosy: “Homeko hazavana ianao amin’ny alalan’ny teniko.”
Hoy isika: “Reraka aho.” Hoy i Jesosy: “Omeko hery ianao amin’ny alaln’ny teniko.”
Hoy isika: “Tsy aiko intsony ny dikan’izao.” Hoy i Jesosy: “Ao amin’ny teniko no hahazoanao izany.”
Hoy isika: “Tena irery aho.” Hoy i Jesosy: “Voasoratra ao amin’ny teniko fa miaraka aminao Aho isan’andro.”
Hoy isika: “Tsy tsapako Ianao.” Hoy i Jesosy: “Hahita Ahy ianao ao amin’ny teniko.”
Inona no ilainao? Inona no antenainao anio sy amin’ity taona vaovao ity?Hahita izany ianao ao amin’ny… “Teniny.”
Ao amin’ny Teniny no hahitantsika ny valiny marina indrindra ho an’ireo faniriana lalina ao am-pontsika! Izy no hiantoka ny fahazavana ilainao mandritra ny taona 2025 manontolo!
Koa, manainga anao aho hivavaka: “Tompo Jesosy ô, misaotra Anao aho noho ny Teninao ary misaotra Anao fa ho hitako ny hanovanan’ny Teninao ny haizina ho tonga hazavana! Amen.” Fahagagana ianao !
