Ny fotoana, dia fitiavana …
Nijery horonantsary mihetsika tena ankafiziny izaho sy ny zanako vavy indray andro . Tena teo aho ara-batana, fa saingy hoe tena roboka tanteraka tao anatin’ny asako. Na dia tena tanora aza izy, dia hoy izy tamin’ny feo feno fitiavana : “Dada, apetraho aloha ny findainao fa FOTOANANTSIKA miaraka izao !”
Tamin’izay fotoana manokana izay, dia naheno ny feon’Andriamanitra aho niteny tato am-poko nanao hoe : “rehefa eo ianao, dia manatreha feno ! Raha tianao hisy fiantraikany eo amin’ny zanakao vavy ny fitiavako ao aminao , dia tiako hampiasa ny fotoananao ianao.”
Ny fotoana omenao an’Andriamanitra dia :
● Maneho ho porofo ny fitiavanao.
● Fanorenana hatrany fa tsy fotoana lany.
● misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fonao ary koa eo amin’ny fifandraisanao.
Davida Mpanjaka, izay nanana fiainana nahomby tety an-tany, dia nanana fo izay nangetaheta an’Andriamanitra. Hoy izy nanoratra ho Azy : “Ny foko sy ny nofoko mihoby an’Andriamanitra velona. Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. ” (vakio Salamo 84.2-3.)
Ny fitiavan’i Davida dia nihamafy tao anatin’ny fotoana izay laniny tao amin’ny toerana mangina. Tsy mahagaga ny mahita ny fiantraikany mahagaga teo amin’ny taranaka aty aoriana. Mitantara momba an’i Davida am-pitiavana be Jesosy.
Ireo fotoana manokana anao sy Andriamanitra dia mampitombo anao satria eo no handraisanao ny fiainany, ny fitiavany, ny fahendreny ary ny heriny. Izay rehetra voarainao avy Aminy dia mitondra fiovàna izay Izy irery no afaka manao izany eo amin’ny fiainanao sy ny an’ny hafa ihany koa .
Noho izany, ry namako, ny porofom-pitiavanao ho an’Andriamanitra, dia ny fotoana izay laninao miaraka Aminy. Eny, mety mampirotoroto ny asa, ny fanenjehana fotoana anaty toham-boivoy, ny fikarakaraka ny ao an-trano….fa mandania fotoana eo amin’ny fanatrehany ianao, dia miandrasa fa handray izay vokatra nomanin’Andriamanitra mialoha ho anao ianao .. Ankafizo ny fanatrehany.
Tahiana mihoatra hatrany ianao!