Ny fomba tsara indrindra hanombohana ny tontolo andronao⏰
Avy naneno ny “reveil” ⏰ dia taorian’ny vavaka kimaimaika dia nitsangana aho.
Aleo dia tsorina fa tsy nanambatra ny tanako hivavaka akory aho kanefa ny finday dia efa teny an-tanako sahady! Ary tsitapitaitr’izay dia nahita horonan-tsary nilaza hoe : “Toy izao ny fomba fivavaka ny maraina”.
Ary eto dia mila mitandrina : betsaka ny lohahevitra sy ny ao anatiny izay tsy mety ho anao. Nahoana? Satria matetika dia tsy marina na mifototra amin’ny tenin’Andriamanitra. Ouuuuuhhhhhh…..
Ahoana ny nahitako an’izany? Tsy navelan’ny fanahy Masina nipetrapetraka mihitsy aho. Soa ihany fa efa niasa Izy na dia mbola nanoaka teo alohan’ny fitaratra aza aho….Ary rehefa nila nanamarina ny nolazain’io mpitoriteny io aho dia tsy nisy hitako tao amin’ny Baiboly….oups.
Ary teo no nahatakarako fahamarinana lalina:
👉 Ny fanombohana ny tontolo andro amin’ny vavaka no hiaro antsika amin’ireo fisandohana!
Ny lainga dia misy eny amin’ny manodidina eny sa tsy izany? Ahoana ary no ahalalana ny marina - sy izay tena mety aminao? Ahoana no ahalalana hoe iza no hinoana?
Tian’Andriamanitra aseho anao koa izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Io maraina io, rehefa tonga saina aho tamin’ilay hoe “hivavaka vetivety aho fa fantatr’Andriamanitra fa vizaka aho” dia tena mampidi-doza, dia niato kely aho nanokatra ny Baiboliko.
Teo noho eo aho dia nahita ity andininy ity hoe : “maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho” (Salamo 5:3)
Tsy niteny an’izany Davida satria avy natory tsara izy! Tsia….tena nandalo zavatra izy ( manasa anao aho hamaky ny andininy eo aloha). Kanefa dia nahatakatra zavatra iray loha izy:
✨Ny fomba tsara indrindra hanombohana ny tontolo andronao dia ny manomboka amin’ny vavaka.
Dia avy eo? Meteza ho tarihin’ny Fanahy Masina….toy izay ho tarihin’izao tontolo izao.
Fahagagana ianao!💛