• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 15, 2025

Ny Fitsanganany = Ny Fitsangananao

Andro namoahana Apr 15, 2025

Afaka mizara fahatsiarovana manokana momba ahy aminareo ve aho? izay tonga ao an-tsaiko rehefa manakaiky ny Paska?... Voaolana aho taloha kelin'ny Paska fony aho mbola tovovavy ary tamin'izay fotoana izay dia nihevitra aho fa tsy afaka ny hiaina intsony.

Nandritra ny fotoam-pivavahanan’ny Paska, dia nipetraka teo amin’ny seza farany aoriana aho, tototry ny henatra sy ny fanamelohan-tena tsy nisy toy izany (izay tsapan’ireo niharan’ny fanararaotana amin’ny ankapobeny), ary zavatra iray ihany no tiako dia : ny hanjavona...

Tsy te handre intsony ny teny notorin’ny Mpitandrina tao am-piangonana ny sofiko, satria ahoana no hahatanteraka izany amiko, amin’izao mahazo ahy izao? Ary tamin’izay fotoana izay, dia nilaza ny teny tena nanaitra ahy ilay pasitera: “Nefa Izy (Jesosy) dia naratra noho ny fahotantsika!” Tena tao amin'ny fotoana ilaina azy mihitsy! Ary nitsangana tamin’ny maty Izy mba hahafahanareo manomboka fiainana vaovao koa, satria “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika”. (Jereo ny Isaia 53:5). Mbola tao amin'ny fotoana ilaina azy fanindroany!

Tamin’izay fotoana izay, dia fantatro fa tsy maintsy mijoro eo anoloan’ny hazo fijaliana aho, niaraka tamin’ny henatro, ny heloko, eny fa na dia ny vatako simba aza, mba hahatsapako izay nataon’i Jesosy tamiko!

Raha manao izay fara herintsika isika, dia hanao izay tsy ho vitantsika Andriamanitra!

Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin’ny varavaram-pasana hisolo antsika? Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato”(Nalaina tao amin’ny Marka 16.3-4)

Tsy hitan’i Maria Magdalena sy i Maria izay hevitra atao mba hahafahany nanakodia ilay vato mavesatra. Kanefa nandroso ihany anefa izy ireo ka hitany fa efa nosokafan’Andriamanitra ho azy ireo ny lalana!

Te hankahery anao avy ao am-poko aho mba hizotra hanohy ny lalanao ihany koa, hametraka ny tenanao eo ambanin'ny hazo fijaliana ary hino fa hataon'i Jesosy ny zavatra tsy hay tanterahina!

Jesosy mihitsy no hanakodia ny vatonao! Manafaka anao Izy, tahaka ny nanafahany ahy!

Hoy Jesosy aminao anio : “fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa hianareo “(jereo Jaona 14.19) Eny, tian’i Jesosy ho velona koa ianao, ho afaka! 

Satria ianao koa tsy voafaritry ny zavatra manjo anao!

Tena sarobidy eo imasony ianao!

Fahagagana ianao

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.