• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 19, 2024

🙌🏻 Ny Fitahian’Andriamanitra ho amin’ny ankohonanao

Andro namoahana Jan 19, 2024

 

Ny fitahian’Andriamanitra dia fialofana ho antsika isaky ny ilaintsika, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra.Nandritr’ireny fihibohana ireny dia nisy ity hira ity izay nanjary toa antema ho an’ny fiangonana : “Ny Fitahiana”.Asaiko manokana ianao hisaintsaina miaraka amiko ny voalazan’ny tononkira :Hitahy anao ny Tompo, hiaro anao, hampamiratra ny tavany, hamindra fo aminaoHitodika aminao Izy, hanome ny fiadananyFahasoavany ho aminao sy ny taranakao mifandimbyNy ankohonanao sy ny zanakao,Ary ny zanany sy ny zanany.Fanatrehany hialoha anaoHo ao aorianao, ho eo anilanao, hiodidina, anatinaoHiara-diaNa maraina, na hariva, na mivoaka, na miditraNa fifaliana, na fahoriana, homba anao Izy!

Ao amin’io hira io dia misy andininy tena mahakasika ahy, dia ilay hoe “Fahasoavany ho aminao sy ny taranakao mifandimby. Ny ankohonanao sy ny zanakao, Ary ny zanany sy ny zanany.”Izany mihitsy no ambaran’ny Baiboly ao amin’ity andininy ity hoe :” Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.” (Salamo 90:1).Eny ry namako, tian’Andriamanitra ianao ary tiany koa ny ankohonanao! Fonenanao Izy, ho an’ny zanakao ary ny taranaka mifandimby, ho an’ny ray aman-dreninao, ho an’ny iray tampo aminao, ho an’ny namanao si ireo izay am-ponao.Mahatoky Izy aminao, arovany sy tahiany ianao. Ary toy izany koa no ho ataony amin’ny fianakavianao. Tsy mahafinaritrta be ve izany?Ankafizo ireo fitahiana natolotr’Andriamanitra anao mandritr’ity tontolo andro ity.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.