NY FIHEVITRY NY NOFO DIA FAHAFATESANA
Ny fiainana dia safidy. Na ianao hisafidy hanao fanatanjahan-tena na tsia ohatra… na inona ny karazan-tsakafo tianao hohanina ratoandro… ny akanjo tianao hanaovana… eny fa ny olona tianao ho vadiana dia resaka safidy daholo.
Nomen’Andriamanitra safidy ihany koa ny zanak’Israely : “fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao” (Deotoronomia 30:19) ary raha mamaky eo aloha kely eo ianao dia hoy ny andininy faha-15 hoe “Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,”
Niaina tranga maro aho izay tsy maintsy nandraisako safidy hentitra na tena tsy mora aza. Ohatra hoe misy olona tsy maintsy navotsotro teo amin’ny fiainako, tsy hoe halako izy sanatria fa misy zavatra izay tsy mifanaraka intsony amin'ny finoako ohatra. Ary maro koa ireo ohatra ao amin’ny baiboly mitantara izay hoe safidy tokoa ny fiainana.
Ny Romana 8 - tena tiako ny misaintsaina io toko io manokana - dia miresaka momba ny ara-nofo sy ny fisainana ara-panahy. Ary tena mandona ny aty fanahiko ny mamaky hoe “Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana…“ (Romana 8:6). Inona moa no ratsy ambonin’ny fahafatesana? Kanefa dia matetika isika misafidy ny nofo noho ny mandeha ara-panahy. Misaotra betsaka an’Andriamanitra ny amin’ny famindram-pony…
Anio dia handeha haka fotoana kely handinihantsika momba ny safidintsika. Aza manamelon-tena nefa. Anio Andriamanitra dia mitodika aminao indray ary manasa anao, am-pitiavana hisafidy ny fiainana. Safidio Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao. Safidio ny hankatoa Azy sy hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Eny, misafidiana ny fiainana.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕