🙌🏻 “Ny fihetsehana dia fanehoam-pitiavana…”
Hiara-hijery andian-tsoratra masina iray isika izay hanampy antsika hamela ny fahazavan’Andriamanitra hamirapiratra amin’ny alalantsika.
Hoy Jesosy namarana ny Teniny hoe: “Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16)
Araka ny hitantsika omaly dia mila mametraka ny jirontsika eo amin’ny fanaovan-jiro isika, mba ho vonona ho ampiasain’Andriamanitra amin’izay ilaina azy.
Eny tokoa, io didy io ihany no mbola hitantsika ato amin’ity andalana ity: izany hoe ho fahazavana, mba hahafahan’ny jirontsika manazava ny olona tsirairay.
Tsarovy fa tsy soso-kevitra izany fa didy: antsoina hamirapiratra isika mba hahatonga ny olona manodidina antsika, ho kasihin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny ilay Fitiavana, izay nikasika sy nanova ny fiainantsika.
Voatsikaritra manokana ao amin’io andininy io fa, ny famirapiratana dia tsy voatery midika hoe mitory filazantsara na mandray anjara amin’ny asa fanompoana ao am-piangonana… Tsy sanatria hoe ratsy akory izany rehetra izany… fa ny tena hasongadin’ity andalana ity dia ny fanaovana asa tsara.
Rehefa mikatsaka ny hanisy soa ny olona manodidina anao ianao, amin’ny fo tsy miandry tambiny, dia hahakasika ny fon’izy ireo manokana izany. Ary mazava ho azy fa rehefa miseho amin’ny alalan’ny asa ataontsika ny Fitiavan’Andriamanitra, dia afaka mitarika antsika hikasika sy hanova fiainan’olona maro Izy, amin’ny alalan’ny Filazantsara.
Ry namako, hamirapiratra eo anatrehan'ny olona rehetra anie ny fahazavanao! Mino aho fa ho maro ny olona ho voatahy amin'ny alalanao =)
Fahagagana ianao!
