• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 26, 2024

🔥Ny fanomezan'ny Fanahy Masina

Andro namoahana Okt 26, 2024

Amin’ireo fanomezana rehetra nomen’Andriamanitra antsika dia misy anankiray izay tena miavaka, satria mifandray mivantana amin’Andriamanitra mihitsy izany.

Tsy ny famonjena akory izany, satria efa niresaka momba izany isika omaly, ary tsy ny fiainana koa, satria efa nanipy resaka an'izay koa isika nandritra izay andro vitsivitsy izay.

Ny fanomezana resahiko eto dia ny Fanahiny, ny Fanahy Masina. Raha ny marina, rehefa niresaka momba izany talohan’ny nanomboana azy tamin’ny hazo fijaliana Jesosy dia nilaza hoe: “Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy[...] Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.” (Jaona 16:7-14).

Fanamarihana: Jesosy dia nilaza fa Izy no haniraka Azy, ary ny Fanahy no hampionona ny mpianatra, hitarika azy ireo, hanambara amin'izy ireo… Rehefa feno ny Fanahy ny mpianatra tamin’ny Pentekosta, dia niova tanteraka izy ireo ary nanomboka nahita ny herin’Andriamanitra niasa.

Ny mahafinaritra indrindra dia ny fahafantarana fa ny Fanahy Masina dia tsy hery, na zavatra mitovitovy  amin'izany fa Olona . Miasa eo amin’ny fiainanao Izy satria tia anao ary maniry ny hitari-dalana anao amin’ny marina rehetra, mba hahafahanao miaina am-pahafenoana ny fiainana izay nomanin’Andriamanitra ho anao ary mba hahafahanao manitatra ny Fanjakan’Andriamanitra manodidina anao.

Ry namako, ny Fanahy Masina dia fanomezana lehibe ho an'ny fiainanao! Enga anie hitombo isan’andro ianao amin’ny fifandraisanao Aminy, ka handray ny Fanambarany sy ireo zavatra tiany hozaraina aminao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.