đ Ny fanomezam-pahasoavanâny fahendrena !
Anisan’ny zavatra ilaintsika amin’ny fiainana dia ny fahendrena. Raha tsy misy ny fahendren’Andriamanitra dia tsy afaka ny hisafidy am-pahitsina sy am-pahamarinana izay tokony ho tanterahina isika.
Ilaintsika amin’ny fotoana rehetra ny fahendren’Andriamanitra na amin’ny dingana goavana amin’ny fiainana na amin’ny fanapahan-kevitra kely raisintsika isan’andro. Ny marina, raha tsy misy izay fahendrena izay dia tsy ho tapa-kevitra amin’ny tokony atao isika ary hampitombo ilay “firoaroana” ao anatintsika.
Noho izay antony izay dia manazava amintsika i Jakoba ao amin’ny taratasy nosoratany “Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy” (Jakoba 3:17)
Jereo ny ambarany ao amin’io andininy io: tsy misy fisalasalana ny fahendrena avy any ambony. Mazava tsara, mahitsy, voafaritra…
Impiry isika no mihanahana amin’ny tokony ataontsika? Misy lohahevitra tokony raisina dia mieritreritra isika fa afaka atao izao dia dimy minitra aty aoriana dia ny mifanohitra amin’izay indray no heverintsika. Ny fisalasalana sy ny tsy fahampiana fahazavana dia manenika antsika mora foana….
Jesosy dia nahafantatra tsara ny Fanatrehan’Andriamanitra sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina Azy isan’andro….ka nilaza mihitsy moa Izy hoe izay hitany ataon’ny Ray no ataony koa (Jaona 5:19).
Hitanao fa tsy niteny Izy hoe izay asain’ny Ray ataony no ataony fa hoe : “Izay hitan’ny Ray ataony”. Nanana fahatakarana ambony Izy ka afaka nahita amin’ny alalan’ny Fanahy ny tokony ataony!
Ny fahazavana tahaka izany dia vokatry ny fanatrehan’ny fahendren’Andriamanitra tao Aminy izay vokatry ny fotoana laniany miaraka Aminy koa. Jesosy dia nifandray tsy tapaka tamin’ny Ray ka nahafahany nandeha teo anilany sy norakofan’ny Fanatrehany tanteraka.
Ry namako, ny fahendrena no manakisaka ny firoroan-tsaina eo amin’ny fiainanao!
Anio, mangataha amin’Andriamanitra mba ho fenoiny ny Fahendreny ianao mihoatra noho ny hatramin’izay. Valiany foana izay vavaka izay rehefa hangatahinao am-pinoana! Tohizantsika izany rahampitso.
