• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 14, 2025

📚 « Ny fankatoavana » - teny tranainy mitondra fiainana vaovao

Andro namoahana Jol 14, 2025

Ny fitenenana fa mila mankato an’Andriamanitra isika dia manome fahatsapana “jadona” sy “avonavona” lalandava. Misaina avy hatrany eo izay sazy sy fandrarana mihatra amintsika ny eritreritsika. Kanefa raha ny marina, ny fankatoavana – izay tokony atomboka amin’ny fiainana andavanandro – dia mety manome fahasambarana marina sy mitondra soatoavina lehibe tokoa.

Na izany aza dia fantatsika tsara fa matetika isika no solafaka raha fankatoavana no resahana … fantatsika izany…ary fantatr’Andriamanitra ihany koa … koa eo amin’io teboka io indrindra no tiany handraisana anao, amim-pitiavana lehibe mazava ho azy ! Mahafaly ahy ny hiaraka aminao mandritry ny andro vitsivitsin'ny fanafahana, andro izay handinihanao ny fahalalanao ny fitiavan’Andriamanitra anao.

Anio dia te hitantara aminao ampaham-piainako izay toy ny horonantsary avy any Hollywood aho.

Tamin’ny fiandohan’ny asa maha mpanao mozika ahy dia nisy rangahy mpanefoefo naheno ahy nihira tamina fiangonana lehibe iray ka naniry mafy ny hihaona amiko sy ny mpamokatra ahy ary ny mpitantana izay niaraka tamiko tamin’izany fotoana.

Tamim-pahatoniana no nanolorany ahy fiaraha-miasa mitentina iray tapitrisa euros. Iray tapitrisa ! Raha tsy nipetraka aho tamin’izay fotoana izay, dia angamba torana teo !

Na izany aza anefa dia toa nisy fihetseham-po tsy dia nahafinaritra loatra tsy niala tato anatiko … ary ny mpamokatra ahy, izay tsy nasiany lanja loatra, dia toa tsy tena faly ihany koa.

Handeha hijery ny Baiboly isika. Fantatrao ve ny mpanjaka Amazia avy any Joda ? Hita ao anaty Baiboly ny tantarany. Voalaza fa: “Nanao izay mahitsy teo imason’I Jehovah I Amazia, nefa tsy dia tamin’ny fony rehetra.” (2 Tantara 25.2)

Ary satria tsy nanompo tamin’ny fony manontolo izy dia nanana hevitra hafahafa lalandava. Ohatra tamin’izany, na dia nanana miaramila 300 000 teny an-kianja aza izy dia naniry hatrany ny hividy miaramila 100 000 fanampiny tamin’ny Israely. 

« Nefa nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ny Isiraely; fa tsy omban’i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’i Efraima rehetra. Fa mandehana ihany hianao, ka manaova, ary mahereza amin’ny ady; fa hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalo hianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo. » (2 Tantara 25.7-8)

Fa hoy Amazia tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra : “Ka hataontsika ahoana ny amin’ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ny Isiraely ? Hoy ity farany taminy – ary tiako ity valinteniny ity : “Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.” (2 Tantara 25.9)

Angamba tsy mila milaza aminao intsony aho fa nahazo fandresena i Amazia na dia tsy nisy ireo miaramilan’I Israely aza, toy ahy koa ankehitriny, izay afaka manatanteraka ny irako nampanaovina ahy na dia tsy nisy ilay iray tapitrisa euros sy ny fepetra tsy mendrika loatra niaraka taminy aza.

Toy izany koa ianao, matokia fa tsy mila mihoatra noho izay efa eo am-pelantananao ianao !

Satria mahay manome fandresena anao Andriamanitra, minoa fotsiny ihany !

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.