Ny fankasitrahana, vahaolana amin’ny fanahiana ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ny fankasitrahana, vahaolana amin’ny fanahiana ?

Manahoana ianao ry Namako,
Hoy ny Baiboly : “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Vakio ny Filipiana 4.6-7.)
Ny dingana voalohany hialàna amin’ny toe-tsaina miorina amin’ny tsi-fahampiana dia ny misaotra an’Andriamanitra ny amin’ny maha-ianao anao sy ny fanananao rehetra.
Afaka manokana fotoana anaovana an’izany ve ianao izao ?
Fantatrao ve fa afaka ny hamela ireo fanahianao ianao amin’ny fankasitrahana tsotra fotsiny an’Andriamanitra ?
Ny fankasitrahana an’Andriamanitra amin’izay maha-ianao anao rehetra sy izay anananao dia dingana voalohany ihany, saingy io no lehibe indrindra satria vao manjavona ny fanahiana dia maka toerana ny finoana. Ary fifaliana ho an’Andriamanitra ny miasa amin’ny fon’izay miandry Azy…!
“Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (Vakio ny 1 Petera 5.7.)
Fampanantenan’Andriamanitra izany, isan’ireo làlana voajanahariny : raha ambaranao Azy ny filànao dia handray famonjena sy fahasoavana avy Aminy ianao.
Aza manahy intsony àry… Ny tokony ataonao aza dia ny manomboka midera an’Andriamanitra…!
Manasa anao aho hanao an’izany miaraka amiko dieny izao : “Tompo ô, misaotra Anao aho noho ny teninao mahery sy feno fahendrena. Tsapako fa ny fankasitrahana no vahaolana mba ho afaka amin’ny fanahiana ka ahafahana mandeha amim-piadanana tanteraka miaraka Aminao. Te-hisaotra Anao aho noho ny maha-ahy rehetra sy izay ananako. Misaotra satria fantatrao ny iainako rehetra, izay rehetra atrehako ary mitondra ahy isan’andro amim-pahatsarana, fahatokiana sy faharetana. Isaorana anie ny anaranao Tompo ô!Amen.”
Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!