😄 Ny fandresen’ireo rahalahinao dia anao!

Manantena aho fa ity andiany ity dia manomboka hitondra fanovana marina ao anatinao, ary manampy anao hahita fa azo atao ny miaina ao amin'ny fandresen'i Kristy. Tsy afaka manao na inona na inona intsony ny fahavalo rehefa manohitra azy amin’ny finoana ianao!
Eny tokoa, ny andalan-teny hitantsika omaly dia nampiseho fa tokony “hanohitra ny fahavalo” isika amin’ny fiorenana mafy amin’ny finoana.
Jereo anie: tsy ekentsika ny laingany, fa toherintsika, lavintsika eo amin’ny fiainantsika izany ary ariantsika... ary noho ny amin’ny finoantsika an’i Jesosy sy ny Teniny no anaovantsika an’izany rehetra izany. Mifikitra mafy amin’ny fampanantenan’Andriamanitra isika, ka tsy mierikerika na dia kely akory aza. Amin’izay fotoana izay dia tsy hanan-tsafidy hafa afa-tsy ny mandositra anao ny fahavalo!
Ny andalan-teny amin’ity herinandro ity dia manolotra antsika fanalahidy farany izay tena mila tadidiana ao an-tsaina: tsy maintsy manohitra ny fahavalo isika satria fantatsika fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahy rehetra eran'izao tontolo izao. (I Petera 5:9)
Ny fahavalo dia mikatsaka mandrakariva hampanirery antsika sy hahatonga antsika hino fa tsy afaka hanohitra ny “heriny lehibe” isika. Raha ny tena marina anefa, dia kanosa fotsiny izy ary mitady hamely ireo izay malemy sy mitokatokana mba hanjakany aminy.
Ianao koa mety mahatsiaro irery ary tsy misy olona heverinao mahazo ny zavatra lalovanao, toy ny hoe efa omenao fahefana mihoatra izay efa ananany sahady ny fahavalo.
Rehefa misaina toy izany isika, dia tsy vitan’ny hoe mamela ny havonavona hipetraka ao am-pontsika, fa manadino ihany koa ny fahamarinana tena ilaina izay ambaran’ny andalan-tenintsika anio: isika rehetra dia mandalo fahoriana toy izany!
Voalohany, midika izany fa tsy irery isika ary faharoa, antsika koa ny fandresen’ny rahalahintsika! Raha afaka mandresy ny fahavalo izy ireo, dia ho vitanao koa izany!
Ry namako, manana ny fandresena ianao amin’ny anaran’i Jesosy! Afaka manohitra ny fahavalo amin’ny Anarany ianao, manohy ny fihazakazahanao ao amin’i Kristy, ary handroso amin’ny voninahitra miaraka Aminy.
Fahagagana ianao!

