đ Ny fahoriana atrehinao dia misy tanjona avy aminâAndriamanitra !

Manao ahoana ianao izao? Mahatsapa mahery kokoa ve ianao hiatrika ireo fahoriana mety hanoloana anao?Omaly isika nijery fa tianâAndriamanitra ho lasa fanehoana ny voninahiny ireo fahoriana atrehinao, izany hoe, ho fijoroana vavolombelona aminâny Fahasoavany sy ny Heriny eo aminâny fiainanao.
Handeha isika hanohy ny andininy indray: âAry Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareoâŠâ (1 Petera 5:10)
Tsy nataonâAndriamanitra ho tonga teto an-tany ianao ka tsy hananany planina maty paika tao an-tsainy. Tiany ianao ary nanomana anjara voatendry feno voninahitra ho anao Izy izay ezahin'ny fahavalo ravaina foana.
Saingy, mba hahatongavana aminâizany drafitrâAndriamanitra izany, dia mila mitombo isika. Ary mba hitomboana, dia tsy maintsy mandalo fitsapana sy sedra izay mampahery ny finoana sy ny toetrantsika isika. Izany no mampitombo kokoa ny fifikirantsika aminâAndriamanitra.
Diniho kely anie: tsy ho afaka niatrika sy nandresy anâi Goliata mihitsy i Davida, raha tsy efa niady sy nandresy ny liona sy ny bera izay nikasa hanafika ny ondrin'ny rainy, fony izy mbola mpiandry ondry. Ireny fitsapana ireny no nanomana azy hiatrika ny antso lehibe : ny ho mpanjakanâi Israely sy razambenâny Mesia.
Izany no antony mahatonga ny fitsapana ho tena ilaina : manampy antsika hitombo, ary manomana antsika aminâny anjara voatendry nomaninâAndriamanitra ho antsika. Ary koa, hoy i Jakoba : âRy rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareoâ (Jakoba 1:2)
Hitanao ve ny fomba nilazany azy ? Tokony hifaly lalina isika rehefa mandalo fitsapana, noho ireo vokatra aterany eo aminâny fiainantsika !
Nandalo fitsapana maro tsy tambo isaina aho nandritra ny fiainako. Ary satria efa fahazarana ho ahy izany, dia lasa haiko avy hatrany rehefa misy toe-javatra sarotra tonga, manelingelina anay mianakavy, ka mitady hanakana, hanemotra, hanimba, ary hanaisotra ny fiadananâAndriamanitra aminay.
Fa ireo ady ezahinâny fahavalo hampiasaina hanapotehana anay ireo, dia ampiasainâAndriamanitra hatrany ho fitaovana hampitomboany anay, sy hanatanterahany ny planiny feno voninahitra efa voaomany ho anay.
Raha ny marina, tsy toy izao aho, raha tsy noho ireo fandresena sy fianarana taminâireo ady an-jatony izay nolalovako teo aminâny fiainako !
Ry namako, tsy kisendrasendra akory ny fahoriana atrehinao ! Misy voa sarobidy entiny ho eo aminâny fiainanao rehefa atolotrao anâAndriamanitra izany. Ary aza adino, vetivety ihany izany fijaliana izany, hoy ilay andininy anio io!
Matokia, ary mahereza ao aminâAndriamanitra anio: efa nanomana zavatra mahafinaritra ho anao Izy.Fahagagana ianao !

