💰 Ny fahazotoana dia mampanankarena ny fiainanao !

Rehefa mandre ny teny hoe “fahazotoana”, amin’ny teny vahiny moa hoe “diligence” isika, dia mety hieritreritra avy hatrany ilay fitaovam-pitaterana tamin’ny andron’ny Far West taloha — fiara tranainy notarihin-tsoavaly, toy ny fiara karetsaka taloha izay izy 😄.
Fa anio, dia karazana fahazotoana hafa no tiako horesahina aminao : ilay manosika antsika hanao izay tokony atao amin’ny fomba haingana sy mahomby.
Ny fahazotoana dia toetra iray tokony hivelaran’ny kristiana rehetra, satria mitondra fitahiana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika. Tsy amin’ny lafiny ara-panahy ihany, fa amin’ny ara-nofo koa.
Jereo anie ireto tenin’ny Ohabolana ireto e:
-
“Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.” (Ohabolana 10:4)
-
“Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.” (Ohabolana 13:4)
-
“Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany..” (Ohabolana 21:5)
Wouah ! Araka ny Tenin’Andriamanitra, ny olona mazoto dia tahin’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra: mitombo amin’ny ara-panahy, ary tsy izany ihany fa mivelatra ara-materialy, voky ny fanahiny ary ny eritreriny dia mifantoka amin'ny fahalebiazana… Tsy mahafinaritra ve izany ?
Ry namako, ny fahazotoana dia mampanankarena ny fiainanao ! Tsy vitan’ny hoe ahafahanao miaina fitahiana isan’andro, fa manokatra varavarana hahazoanao ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny hafa koa !
Mitondra anao am-bavaka sy ao am-poko aho,
Ianao dia fahagagana !

