✌️Ny fahasoavany no manome anao fandresena !

Miatrika fahasahiranana sy olana matetika ve ianao amin’ny andavanandrom-piainanao?
Mino aho fa samy efa sendra toe-javatra mandreraka isika rehetra isan’andro.
I Jesosy mihitsy aza no efa nilaza hoe : “Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33)
Raha ny marina, ny fotoana ianao manakaiky an'Andriamanitra, dia maniry misimisy ny hanao ny Sitrapony, ary ny fahavalo dia hiezaka hanafika anao sy hamingana anao na hampiaina tranga manahirana mba tsy hiainanao ny fiadanan'Andriamanitra.
Eny, miatrika karazana fahoriana eo amin’ny fiainana isika, fa manana fandresena isika ao amin’i Jesosy!
Mandritra ny andro vitsivitsy dia handinika, andininy iray izay tena mahery isika : “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. ” (1 Petera 5:10)
Jereo ny fiandohan'io andininy io izay manamafy fa manana "Andriamanitry ny Fahasoavana rehetra" isika.. Eny, eo ny fahasoavany, efa voaomany hanampy anao amin’ireo olana iainanao !
Mihoatra noho izany : Izy no Andriamanitry ny FAHASOAVANA REHETRA, ary efa nametraka fahasoavana maro samihafa Izy ho anao manokana : hanampy anao, hampionona anao, hanome ny hery ilainao na inona na inona fahoriana ho lalovanao mba hahazoanao fandresena.
Ry namako, afaka manova ny olanao ho fandresena ny fahasoavany ! Mitsangàna anio, ary avelao Andriamanitra hameno anao amin’ny Fisiany sy ny fahasoavany izay efa nomaniny ho anao.
Ao anaty vavaka sy ao am-poko ianao.
Fahagagana ianao !

