Ny fahamarinana ho sakafo maraina
"Aza manahy na inona na inona, fa atolory an'Andriamanitra ny fangatahanareo amin'ny zavatra rehetra... Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy." (Filipiana 4:6-7, Dikan-teny Iraisam-pirenena Vaovao).
Tahaka izany ny fiandohan’ny tontolo andro mendrika ho ahy! Noho izany fampanantenan’Andriamanitra izany!
Raha izany no renao rehefa maraina- ary INOANAO - dia tsy hanan-kery aminao ny olan’ny tontolo andro - ary hanana fotoana sy toerana ianao hikarakaranao anao! Tian’Andriamanitra ho soratanao ao am-ponao izany fampanantenana izany mba ahalalanao hoe tena matotra sy mahatoky amin’ny Teniny Izy!
Kanefa dia voatsembatsemban’ny singa mpanakorontana io fahamarinana io… ny fanombohanao ny tontolo andronao amin’ny fanadinoana izany! Ny olana dia haka toerana aingana voalohany ny lainga, ka dia ho ketraka tanteraka ianao ka tsy hanana hery hiadivana hametraka ny tenanao indray ao amin’ny Fampanantenany.
Topimaso iray eo amin’ny fitaratra ohatra dia mety hamoaka lainga maro: “Oh lala tena marina fa ratsy tarehy aho izany anio…”, dia iny ianao nandray fiara dia maheno feo hafahafa : “Zayy, misy zavatra tapaka izany. Tsy manambola hanamboarana izany aho…”, dia vao tonga ao am-piasana ianao dia toy ny mandrahona anao ny fijerin’ireo mpiara-miasa ka mahatonga anao hiahiahy : ”Inona indray no nataoko? Tena tsy mety mihitsy angamba ny ataoko…”!
Afaka iàlanao ireo eritreritra ireo! Amin’ny fomba ahoana hoy ianao manontany ahy? Amin’ny tsy famelanao ny tontolo andronao hanomboka lavitry ilay fahamarinana!
Mbola mamerina miteny aminao Andriamanitra hoe : “ Aza manahy”. Ary tsy hoe hihaino anao fotsiny Andriamanitra fa hoy Izy: “ Hiaro ny fonao Aho”. Hikarakara anao Izy!
Satria manana vahaolana amin’ireo faktiora tsy voaloa ireo Andriamanitra, maniry hanoratra ao am-ponao Izy hoe mahatalanjona ianao, tena sarobidy eo imasony ary te hampahita fitia anao Izy ka ahasoa ny manodidina anao ny Fanatrehany! Na inona na inona olana dia efa manana vahaolana Izy!
Izany no hampaherezako anao “handray ny fahamarinana ho sakafo maraina”! Aza atao noana ny kibonao! Hikarakara ny momba anao Izy ary aza atao ampitso lava izany fahamarinana izany!