• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 5, 2024

πŸ™ŒπŸ» Ny antsipiriany kely dia mitondra fiovana lehibe!

Andro namoahana Jan 5, 2024

 

Inona no ataonao voalohany rehefa mifoha maraina? Azoko antoka fa manana ny fahazaranao maraina ianao, izay mety tsy mitovy amin'ny ahy. Saingy misy zavatra iray ataontsika rehetra rehefa mifoha isika : manokatra ny masontsika.

Ny fifohazana isa-maraina dia andro vaovao, fahafahana vaovao hankafy tanteraka ny fiainana omen’Andriamanitra anao. Fantatro fa indraindray isika dia variana mifantoka amin’ ny fiainantsika andavanandro ka lasa manadino ny hakanton’ny zavatra madinika sy ny antsipiriany. Kanefa ireo antsipirian-javatra tsy dia rarahintsika ireo no mitondra ny fiovana rehetra.

  • Io fiposahan'ny masoandro io no mitondra fifaliana ho anao eny an-dalana ho any am-piasana.
  • Ilay tsikitsikin’ ilay zaza mifanena anao eny an-dalana iny, mampatsiahy anao fahatsiarovana tsara.
  • Ireo fotoana kely izay hahafahanao maka aina sy manova eritreritra.

Zavatra maro amin’ny antsipiriany no ataon’Andriamanitra manodidina antsika eny rehetra eny isan’andro dieny maraina vao mifoha isika. Izao tokoa no lazain’ny Baiboly: “Havaozina isa-maraina ny fahatsarany, endrey ny halehiben’ny fahamarinanao, Tompo ô!” (Fitomaniana 3:23).

Ry namako, havaozina isa-maraina ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny fiainanao! Tsy mitsahatra maneho aminao ny Fitiavany sy ny Fahatokiany amin’ny antsipiriany rehetra Izy! Tena maniry ny hitahy ny fiainanao Izy!

Manasa anao aho dieny izao, haka minitra vitsivitsy hanaovanao lisitra ny fitahiana rehetra izay ataon’Andriamanitra manodidina anao isan’andro. Afantohy indrindra amin’ny fiainanao andavanandro ny sainao,na izay antsipiriany heverinao tsy misy dikany sy izay tsy voam

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.