Ny ady tsy hita maso
"Afaka manampy ahy ve ianao? Miady mafy amin'ny fikorontanana ara-pisakafoanana aho, izay manelingelina ny saiko." Koa eny, ankehitriny dia afaka manampy aho.
Satria izaho koa dia nandalo tamin’io ady sarotra io. Satria lavo injato koa aho tao anatin’izany. Ary satria fantatro loatra ny dikan'ny hoe mifikitra amin'ny fara heriko amin'ny tanan'Andriamanitra ka nahatsapa hoe : "Raha tsy misy fahagagana mitranga, dia very aho. Tsy ho tafavoaka amin’izao intsony amin’ny herin’ny tenako aho"
Rehefa teo anoloan’i Davida i Goliata, dia toa tahaka ny tsy ho vita ny handresy azy. I Davida koa anefa dia efa nanana traikefa be dia be niaraka tamin’Andriamanitra. Tany amin’ny toerana izay tsy nisy nahita. Niady irery izy, tsy nisy mpijery. Ady izay nahalalany hoe: "Andriamanitro ô, raha tsy miditra an-tsehatra Ianao ankehitriny, dia resy aho!"
Na i Saoly Mpanjaka aza dia nihomehy an’i Davida rehefa iny izy andeha hifanandrina amin’i Goliata : “Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.” ( 1 Samoela 17:33 ).
Ary tamin’izay i Davida dia nampahatsiahy azy sy ny tenany ny amin’izay rehetra efa niainany niaraka tamin’Andriamanitra hoe: “Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry, dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko. Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.” (1 Samoela 17:34-36).
Navelan’i Saoly hiady àry izy. Ary araka ny fantatsika, dia nandresy ny ady i Davida. (1 Samoela 17:41-51 ).
Sarobidy ny ady iarahanao amin'Andriamanitra! Ho tsapanao fa raha tsy misy Azy ianao dia tsy mandroso intsony, ary tratranao ny tanjonao rehefa miaraka Aminy ianao!