• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 21, 2025

Noho ny Teninao

Andro namoahana Aog 21, 2025

Misy fotoana izay atao rehetra ohatrany tsy mandeha amin’ny laoniny izany. Miezaka ihany ary mahavita miteny mihitsy aza hoe efa haiko io, efa hananako traikefa, eo hanaovako azy…. Nefa toa tsy nahitam-bokatra akory. 

Fantatrao ilay tantaran’i Petera izay mpanjono matihanina e? Nandritry ny alina iray manontolo izy dia niezaka, nampihatra ny fara-fahaizany fa e e e, tsy nisy na trondro iray aza tao anaty harato. Rehefa iny Jesosy niteny azy hoe harotsahy ny haratonao dia mbola namaly kely ihany izy hoe Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny haratoLioka 5:5. Vokatra? Saika triatra ny harato ary niantso namana izy hanampy azy hisarika ny harato. Aleloia! 

“Noho ny Teninao…” : nankato izy na mety tsy izay loatra intsony ny tao am-pony. Mety efa reraka izy, nitady vahaolana ela… toa anao ihany amin’io hatrehinao io akehitriny…. fa anio Jesosy miteny aminao hoe : “Halatsaho ihany ny harato” izay midika hoe aza mamotsitra, mifikira Amiko sy amin’ny Teniko dia hanao zava-mahagaga eo amin’io noheverina fa rava sy tsy misy azo aleha io intsony ny Tompo.

Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao1 Mpanjaka 2:3

Mivavaka aho ho lavorary izay ataonao sy alehanao rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Fahombiazana sy fandresena no anjaranao. Satria tia mankató sy mitandrina izay asain’Andriamanitra hotandremanao ianao.

Fiadanana ho aminao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.