• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 27, 2026

Nefa ianao nihevitra ho tsy nana-namana…

Andro namoahana Feb 27, 2026

Ary raha manandrana zava-baovao isika anio?

Alaivo sary an-tsaina tontolo andro milamina tsara. Mifoha ianao amin-kery lehibe, vonona hiatrika ny tontolo andro tsy misy sakantsakana. Mety hiteny ianao hoe : 

👉 “Hivavaka? Hatao inona? Milamina daholo ny zava-drehetra!”

Saingy tampoka teo BOOM - zavatra tsy ampoizina, olana, zava-mitranga tsy efanao. Avy eo dia tsy misalasala ianao mihikiaka hoe : 

“Jesosy oh, mila Anao aho! Manaova fahagagana, miangavy!”

😅 Ops… Tratra ambodiomby?

Aza manahy, izay no maha olombelona. Fa izany indrindra no antony tokony handrenesanao izao teny izao.

💛 Maniry ANAO Andriamanitra mba tsy hanadino Azy. 💛

Nahoana? Satria te ho namanao Izy. Ho NAMANAO!

Manan-danja goavana ianao eo anatrehany, tiany raha mba omenao toerana sarobidy koa Izy eo amin’ny fiainanao.

Tahaka ny fisakaizana marina. Alaivo sary an-tsaina : 

Amin’ny maraina, mandefa hafatra kely ho an’ny namanao iray ianao hoe : Miarahaba, mirary tontolo andro mahafinaritra ho anao!” ☀️

Ary ny hariva, : “Fifaliana ho ahy ny manana anao amin’ny fiainako!” 💖

Nahoana? Satria voajanahary izany, satria avy amin’ny fo madio. Ary fantatrao fa ho eo ilay namanao rehefa sendra ilaina.

👉 Tahak’izany ny fifandraisako miaraka amin’I Jesosy!

Mandritry ny tontolo andro, hipoky ny fihetseham-po tampoka ny foko:

💬 “Fifaliana ho ahy ny mahafantatra Anao!” 💬 “Tiako Ianao Jesosy ah!”

Fifandraisana tsy tapaka ny anay. 🕊️

🤔 Tsory ny marina, mety aminao ve raha hoe tsy miresaka aminao ny namanao raha tsy misy ilany anao?

Miaraka amin’I Jesosy, dia fisakaizana tena izy, lalina ary miavaka!

Aza hamaivanina izay fifandraisana izay, satria Izy dia maniry fatratra ny hanamafy izany!

“fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo.” (Jaona 15:15)

Manasa anao aho anio mba hanaporofo Aminy ny fisakaizanareo mandritra ity tontolo andro ity, amin’ny teny tsotra hoe : 

💛 “Jesosy oh, Tiako Ianao!” 💛

Aza miandry Azy… Atomboy dieny izao! 😊✨

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.