Nandresy Jesosy ho anao !
Anio dia miresaka misimisy momban’i Jesosy ilay mamintsika ny andinin-tsoratra masina, milaza hoe : “mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” (Hebreo 12.2)
Tiako raha mba maka fotoana hijanonana kely ianao sy hieritreretana izay efa hitantsika omaly tahaka ahy : Jesosy no fototry ny finoana. Izy no namorona ny finoana, ary Izy no manatanteraka ny finoana !
Tonga teto an-tany Jesosy, ary nanao ny zavatra rehetra tamin’ny finoana :
- Feno ny Fanahy Masina Izy.
- Tany an’efitra 40 andro Izy.
- Nahatohitra ny fakam-panahy rehetra Izy.
- Naheno tsy tapaka ny feon’ny Ray Izy.
- Nanao fahagagana lehibe Izy
- Nanasitrana ny marary.
- Niteny tamim-pahendrena.
- Feno fiainana ny Teniny.
Tonga olona tety an-tany Jesosy, ary nampiseho antsika fa afaka miaina amin’izany haavom-boninahitra izany isika. Izany no mahatonga ahy sy ianao afaka manatanteraka izany rehetra izany koa : satria nosokafany ny lalana tamin’ny alalan’ny finoana !
Nahatratra ny fanehoana avo indrindra ny finoany, tamin’ny fotoana Izy nisafidy ny hanome ny Fiainany ho antsika. Tsy hoe ho faty teo amin’ny toerantsika fotsiny Izy, fa nentiny koa ny ratsy rehetra izay nanandevo antsika.
Nanome ny Fiainany Jesosy tahaka ny voa nambolena, izay mila maty mba hamoaka fiainana vaovao. Fa tamin’ny fotoana izay nijaliany mafy indrindra tao Getsemane, rehefa avy nampaherezin’ny anjely Izy, dia nisy zavatra nanova ny zavatra rehetra ho Azy : afaka nahita tamin’ny finoana Izy ny vokatry ny Fisoronany. Afaka nahita anao Izy, ianao sy olona aman’arivony maro, izay voavidy sy miaina fifandraisana velona mandrakizay miaraka Aminy.
Ny fifaliana amin’ny fahafantarana ny vokatry ny Fisoronany no nahatonga Azy hiaritra ny fijaliana teo amin’ny hazo fijaliana sy handresy ny fahafatesana.
Ry namako, ny fifaliana amin’ny fahafantaranao fa tian’Andriamanitra ny ataonao anie no aoka ho motera hanosika anao handroso hatrany amin’ny fiainanao, na dia amin’ny fotoana mandalo fijaliana mafimafy aza ianao.