🫵🏻 Nampaingana diso ve ianao?

“Jesosy ah! Tena mila Anao hiditra an-tsehatra aho! Vonjeo moa aho eh!” Nivoaky ny vavako izany vavaka izany rehefa mbola tao anaty fiara aho!
An-dalana mody avy nifanao fotoana tany ivelany aho no nahavoaray mailaka iray izay nahitako tsy fifankahazoan-kevitra goavana, ary satria mbola an-dalana aho dia tsy mbola afaka namaly teo noho eo. Izao lasa tahaka ny hoe hadisoako ilay izy, nefa tena tsy misy idirako izany!
Ah, mampiakatra fihetseham-po ny toe-javatra mitranga toy izany! Iza no tokony horesahiko voalohany? Iza no mba afaka hanolo-tsaina ahy? Ny zava-misy dia tsy azo atao intsony ny miverin-dalana, ka tsy misy ilàna azy intsony izay tolo-tsaina!
Izay no nahatonga ahy hoe - tapakevitra ny hiantso an’Andriamanitra - satria tokony Izy foana no antso vonjy voalohany!
Mila mizatra tanteraka isika ny miantoraka amin’Andriamanitra VOALOHANY foana aloha!
Mazava ho azy, tsara ny mifanakalo hevitra amin'ny namana sy mitady tolo-tsaina, fa dingana faharoa izany, rehefa avy niresaka tamin’Andriamanitra!
Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fahasosorany mahita anao tsy mitsahatra ny mitaraina amin'izao tontolo izao, fa tsy mba Aminy voalohany indrindra, Izy izay manana ny tena vahaolana!
Raha hain’Andriamanitra ny mamaha ny olana, nahoana no mbola mitaraina amin’olona tsy manam-bahaolana ianao?
“Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.” (Fa tsy mandany andro miresaka tsy misy farany mikasika ilay lohahevitra)! (Fitomaniana 3:25-26)
Hamintinako ny tantarako, te hiteny aminao aho hoe na mialoha ny filentehan’ny masoandro aza dia efa voavaha tamin'ny fomba mahagaga io olana io! Ary ny marina aza dia efa tafatoetra tsara ny tenako mialoha ilay olana! Noho ny amin'ny fitondran-tenako, noho ny amin'ny fahatsorako, noho ny amin'ilay vavaka! Andriamanitra irery ihany no mahavita fiafarana mahafinaritra toy izany!
Manasa anao aho mba hametraka ny fanahianao rehetra eo am-pelatanany anio ka hiandry Azy hiditra an-tsehatra.
Ho tanteraka tokoa anie, sa tsy izany?
Fahagagana ianao!

