• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 16, 2023

Nameno solika ve ianao ? ⛽️

Andro namoahana Jon 16, 2023

 

my finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa" (Romana 4:19-22).Andeha ho dinihina izay lazain'io io andalan-teny momban'i Abrahama io :

  • Tsy nihena ny finoana nanoloana ny zava-nisy marina nanodidina azy.
  • Tsy namela ny fisalasalana niditra tao am-pony izy, na dia nifanohitra tamin'izany azy ny zava-drehetra

Mifanohitra amin'izany aza, nanamafy ny finoany izy.

  • Nanome voninahitra an'Andriamanitra izy, nisaotra Azy nialoha.
  • Resy lahatra tanteraka ny amin'ny herin'Andriamanitra hanatanteraka ny teny fampanantenany izy.

Eo afovoan'ny ady, Abrahama dia nanapa-kevitra ny hihamafy amin'ny finoana. Ary tsy in-dray ihany izy no nanao izany. Eny tokoa, isan'andro, amin'ny toe-javatra tsirairay, nisafidy ny hino amin'ny fotoana rehetra ny teny fampanantenan'Andriamanitra izy toy izay hino ny zava-misy hita maso.Anio, ry namako, mitsangàna, mahereza amin'ny finoana ianao ary mametraha hatrany ny tokinao amin'izay ho ataony amin'ny fiainanao ! Ny finoana no manavao ny hery hahafahanao mandroso hatrany. Toy ny soliky ny lanitra =)Ato am-poko sy ato anatin'ny tonom-bavako ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.