🙌🏻 Nahoana no mila an'I Jesosy ianao?

Pff, fanontaniana koa izany : “Nahoana no mila an'I Jesosy ianao?”
Mety ho hafahafa ny fandrenesana izany fanontaniana izany aloha. Saingy andao hiara-hiaiky isika, fa “mila” an’I Jesosy isika amin'ny zavatra maro…
Rehefa tojo ny sarotra isika dia mahazo toky fa afaka miantoraka amin'ny vavaka, ary koa mahatsiaro fa misy olona hafa mitrotro am-bavaka antsika!
Kanefa izany “vavaka eo no eo” izany, izay ataontsika avy hatrany rehefa sendra olana, moa ve tonga ao an-tsaintsika koa ny hilaza fotsiny hoe “misaotra”? Impiry isika no mahafoy ny zavatra hafa rehetra mba hanompoana an’I Jesosy? Tsy mila antony mazava, tsotra fotsiny, fa dia mitsaoka Azy amin'ny maha Izy Azy?
Sa tsy izany? Izaho manokana mahatsiaro tena avy hatrany ho “voafandrika”. Satria ny fiantsoana an’Andriamanitra anatin’ny fotoan-tsarotra dia haingana kokoa noho ny makeo amin’ny Fanatrehany fotsiny mba hanome fankasitrahana madio!
Fantatrao ve ny tantaran'i Simeona ao amin'ny Baiboly? Tamin'ny fotoana nialany aina dia hoy izy:
“Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao; Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.” (Lioka 2:29-32)
Nandre faminaniana i Simeona izay nanambara fa ho teraka ny Mpamonjin’ny Israely. Ilay Mpamonjy izay tena nilainy fatratra! Na izany aza, nino izany Simeona na tsy mbola hitany maso aza ilay zaza! Ny tena mahavariana ahy dia izy tsy niteny hoe “Tonga ihany ny Mpamonjy, ho mora avokoa ny zavatra rehetra”!
Satria efa nananany teo aloha – na tsy mbola nahita ny Mpamonjy aza – ny fifandraisana feno fankasitrahana Aminy!
Ary na rehefa teraka aza ny Mpamonjy, dia tsy tamin'ny faharesena izy niteny hoe “Afaka tanisaiko Aminy avokoa ny olako rehetra.” Tsia, hoy izy : “ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao”, ary tsy nitaraina izy fa nidera : “dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra …” (Lioka 2:28)
Fantatrao ve ny lesona tsoahiko amin'izany? Anatin’ny fiderana Azy dia mahatakatra isika fa: Ny olantsika na iray aza dia tsy olana Aminy!
Mety ve isika hampihatra izany ho teny faneva manomboka anio?
Handeha ary isika hampitombo ny fotoana hiderana Azy mihoatra noho ny hamahany ny olantsika.
Fahagagana ianao!

