Nahoana Andriamanitra no nisafidy ny Krismasy?
Alaivo sary an-tsaina anie izay mety nitranga raha toa ka tsy nanaraka ny fahadisoan’i Eva i Adama e?
Mety tamin’ny alahelo no nilazan’Andriamanitra tamin’ny Adama nony hariva hoe: “Miala tsiny aho Adama fa tsy maintsy ho faty i Eva.”
Azonao eritreretina ve ny zava-nitranga raha toa ka nanota ianao, ary ianao ihany no mahalala izany kanefa tsy maty teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy mba hamonjena anao? Mety tsy te hieritreritra an’izany akory ianao….
Alaivo an-tsaina indray hoe mijery ny fahotantsika olombelona Andriamanitra sy Jesosy ary hoy Andriamanitra Ray amin’I Jesosy Zanany hoe: “Mankarary ny foko kanefa tsy maintsy ho faty izy ireo”
Ary hitan’i Jesosy ny alahelon’ny Rainy ka tsy zakany izany ka hoy Izy hoe: “Avelao Aho ho tonga olombelona tahaka azy ireo, ka ho faty ho azy ireo Aho mba ho hivelomany”
Mety resy lahatra tanteraka Andriamanitra tamin’io fotoana io fa tena Zanany tokoa Jesosy ary ilay maha Andriamanitra an’Andriamanitra mihintsy no tahafin’i Jesosy ao anatiny ao : “Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.” (I Jaona 4:16)
Ary tian’Andriamanitra haseho aminao amin’ny endriny vaovao indray izany fitiavana izany amin’ity Krismasy ity. Satria na toy ny ahoana no niainanao ity taona ity dia fantaro fa: maty Jesosy mba hivelomanao!
Atolory Azy amin’ny alalan’ny vavaka ireo enta-mavesatrao anio ary hiaino am-pinoana izany manomboka izao. Satria ny Krismasy dia porofo fa tsy manam-petra ny fitiavan’Andriamanitra :
“'Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. ” (Jaona 3:17)
Fahagagana ny fisianao!
