• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 26, 2025

📦 Nahazo fanomezana ve ianao tato ho ato ?

Andro namoahana Nov 26, 2025

Tianao ve ny mandray fanomezana ?

Tsaroako hoe tamin’ny mbola kely aho, dia tena nanantena fatratra ireo fanomezana amin’ny krismasy sy ny tsingerintaona nahaterahako. Isan’andro aho dia nanisa ny andro sisa tavela, ary tsy nitsahatra nieritreritra ny fotoana hahazoako ireo kilalao ireo sy hilalaovako izany am-pifaliana be !

Rehefa nalahelo aho noho ny antony iray, dia ampy tamiko ny nieritreritra ireo fanomezana ireo, dia izay ! Tonga saina sy faly indray aho =)

Ny fanantenana no manome antsika fifaliana indray eo afovoan’ny olana amin’ny fiainana. Izay indrindra no ambaran’ny apôstôly Paoly rehefa mankahery antsika hoe : “Mifalia amin’ny fanantenana.” (Romana 12:12).

Na dia mampalahelo aza ny zava-misy manodidina anao, dia jereo hatrany ny teny fikasàn’Andriamanitra ! Io fanantenana io no hanova anao sy hameno anao amin’ny fifaliana sy hery mahatalanjona. Ny fifalian’ny Tompo no manome antsika fanantenana !

Tianao ve ny hangataka amin’ny Tompo mba hamenoany anao amin’izany fifaliana sy fanantenana izany ? “Tompo ô, misaotra Anao aho satria ao Aminao no ahitako fifaliana, hery, ary fanantenana vaovao. Ampio aho hibanjina Anao hatrany, Tompo ô, ny valisoa avy Aminao, ary haneho fifaliana lalina hanampy ahy hahay hihafy amin’ny fotoana rehetra, na inona na inona mitranga. Misaotra Anao noho ny fitiavanao ! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen.”

Mirary tontolo andro mahafinaritra ho anao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.