Nahazo fanomezana ve ianao tato ho ato?
Tianao ve ny mandray fanomezana?
Tsaroako fony aho mbola kely tena tsy andriko mihitsy ny fanomezana Krismasy ho ahy na fitsingerenan’ny andro nahaterahana. Nanisa andro mihitsy aho ary nieritreritra foana hoe rahoviana aho no hanana an’ireny kilalao ireny eny an-tanako, ary ho afaka hifalifaly be amin’izy ireny! Raha nisy zavatra nampalahelo ahy dia mieritreritra ireo fanomezana ireo fotsiny aho… dia izay! Miverina ho faly indray aho =)
Eo anivon’ireo olana eo amin’ny fiainana, dia manome fifaliana ho antsika ny fanantenana. Izany no ambaran’ny apostoly Paoly amintsika rehefa mampahery antsika toy izao izy: “Mifalia amin’ny fanantenana.” ( Romana 12:12).
Na dia mandiso fanantenana aza ny zava-misy manodidina anao, dia atodiho amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ny masonao! Io fanantenana io dia hanova anao ary hameno anao ny fifaliana sy tanjaka mahagaga. Ny fifalian’ny Tompo dia mameno fanantenana ho antsika!
Te hangataka amin’ny Tompo ve ianao mba hameno anao izany fifaliana izany, izany fanantenana izany? “Tompo ô, misaotra Anao aho fa ao Aminao no ahitako fifaliana sy hery ary fanantenana vaovao. Ampio aho hibanjina Anao, Tompo, hibanjina ny valisoa avy aminao, ary hahay haneho fifaliana lalina izay hanampy ahy haharitra amin’ny fotoana rehetra, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, ary na inona na inona miseho. Misaotra noho ny fitiavanao! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amena.”
Mirary tontolo andro mahafinaritra ry namana!