Nahatsiaro vizana ve ianao vao nifoha taninkeo?
Raha vizana ianao teo am-pifohazana dia angataho amin’Andriamanitra ny Heriny sy ny Sitrapony.
Mbola tsy takatsika ny dikan'ny hoe afaka mangataka hery amin'Andriamanitra isika! Ny Heriny no tiako lazaina! Waow! Manana alalana isika hangataka amin’Andriamanitra ny HERINY!
Mbola tsy azoko an-tsaina loatra izany rehefa nivavaka aho teo aloha hoe : “Tompo ô, mila ny Herinao aho”. Manao izany vavaka izany isika indraindray nefa tsy tsapantsika ny maha-zava-dehibe azy. Na izany aza, dia tsy mangataka hery misimisy fotsiny aho, fa ny Heriny, izay mahery indrindra!
Afaka manome anao “hery kely fotsiny” Andriamanitra. Izay ampy ho an’ny ora manaraka. Fa ny zavatra atolony anao eto dia mihoatra lavitra noho izay ilainao rehetra eto an-tany! Toy ny bateria tsy mety lany mihitsy!
Izao no voalaza ao amin’ny Isaia 40:28 : “Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy”.
Noho izany, dia afaka miteny tsy amim-pisalasalana isika hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13), satria miresaka momba an’ILAY manana hery tsy mety lany ritra isika !
Aoka àry isika hianatra ny tsy ho kivy rehefa misy fisalasalana indray. Marina tokoa fa tsy levona mandrakizay izany HERY izany; misy foana io!
Mahatsiaro ho malemy ve ianao anio? Natao ho anao ireto teny ireto: Hoy Andriamanitra ao amin’ny 2 Korintiana : “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena.” (2 Korintiana 12:9).
Fantatr’ilay Andriamanitsika fa: “Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa”. (Isaia 40:30-31).
...ary araka ny nianarantsika anio dia hery tsy mety levona izany!
Raha mbola velona koa isika dia TSY HO LEFY MANDRAKIZAY izany hery izany! Oaoo! Fotoana izao hifohazana amin'izany HERY IZANY ary andehanana amin'ny FAHASAHIANA, FENO FIFALIANA ary FANANTENANA isan'andro isan’andro!