• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 1, 2026

Na Jesosy aza nila nandalo tamin’izany…😯

Andro namoahana Jon 1, 2026

Ray o, tsy azoko ny fitondranao!”

Oviana ianao no nanonona ireo teny ireo farany tanaty vavakao? Aza manahy fa maro ireo nanonona ireo teny ireo talohanao. Ary izany dia tokony hanaitra antsika amin’ny fomba tsara: 

Raha samy mahatsapa io isika rehetra, dia tsy hisy iray ve ahalala marina ny fitondran’Andriamanitra?

Mety hoe tsy tian’Andriamanitra ho azontsika daholo - satria mety hilavo lefona mialoha isika hiteny hoe : “Tsy ho vita izany fa aleo tsy manandrana akory….” 🤔

Eritreritra mafonja izany. Fa raha haiko tamin’ny faha-10 taonako izay niandry ahy toy ny… taona maro tanatin’ny olana ara-tsakafo, ny fanararaotana ara-nofo, ny alaelo lalina- sy ireo ora maro tsy voatanisa tanaty fitokanana, tokona sy ranomaso…..ny marina dia mety efa namotsotra mialoha aho alohan’ny nanombohana. 

Ary ianao?

Tsy ho ampy ho an’ity fiainana ity ny herinao 🙂‍↔️ Fa ny Heriny kosa dia ampy ho an’ny mandrakizay💪🏻

Raha ny marina dia midika izany hoe afaka miankina tanteraka amin’ny herin’Andriamanitra isika. Na mitaredretra aza ny Valiny avy Aminy dia anontanio Jesosy…. Izy tenany, tanatin’ny tebiteby lalina, dia nitodika tamin’ny Ray toy izao Izy: 

‘’Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Marka 14:36

Nantsoiny hoe Aba -  fomba iray toy ny zaza sy am-pitiavana hilazana amin'Andriamanitra hoe: "Dada ô, ampio aho."

Kanefa toa tsy mamaly Andriamanitra….🙉 Tsy mampino e? Kanefa fantatsika ny niafaran’ny tantara: “...dia nanetry tena … Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra” (Jereo Filipianina 2:8-9)

Mety hoe tsy nesorin’Andriamanitra ny fanaintainana - fa nomeny ny Heriny izy… ary toeram-boninahitra mandrakizay. 

Indraindray dia tsy misy lalana hafa - kanefa ny fanaintainana dia mandalo fa ny fifaliana mitoetra - mandrakizay. 

Fahasoavana ny tsy mahalala ny rehetra mialoha fa afaka mahatoky kosa isika hoe : Manome antsika hery vaovao isan’andro foana Andriamanitra! (Jereo Isaia 40: 29-31)

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.