Na inona na inona
Volana vitsivitsy tao aorianan’ny mariazinay dia nisy nanindrona be ny ila kiboko ankavanana. Tsy dia norarahiko loatra aloha tamin’ny voalohany fa aveo nefa tena nanomboka narary ahy mafy ka tsy afaka nandeha aho fa niforitra tanteraka.
Nentina teny amin’ny hopitaly moa dia hoe misy fivontosana be eo anivon’ny tranon-jaza fa tsy vita tao fa mila makeny amin’ny hopitaly iray hafa izay manana ny fitaovana ampy amin’ny fitiliana sy fandidiana. Tena narary mafy ahy ilay izy, nefa vao naheno an’izay aho dia niteny tamin’ny vadiko hoe “Hivavaho aho fa tsy manaiky harary be toy izao”. Natao daholo moa ny karazana fizahana rehetra ary tapak’ireo dokotera fa tsy maintsy esorina maika eo noho eo ilay fivontosana. Niara-nivavaka izahay mivady ary na mbola henoko aza ny fanaintainana dia nambarako mafy fa salama aho ary haneho ny voninahitr’Andriamanitra no anton’izao.
Natosika ary ity fandriana fa hoe tonga dia “salle d’operation” izao dieny izao. Tonga tao dia nijery ny taratasy rehetra momba ahy ilay dokotera roa lahy, nanomboka nitsapa ny kiboko sy nanontany hoe marary ve eto? Dia nandà aho, tsy nandainga. Naverimberiny teo dia nifampijery izy ireo dia niteny hoe midina ianao Madama fa tsy misy antony handidianay anao mihitsy!!!! Fahagagana !!!!
Nankaiza ilay fivontosana? Nanjavona. Oviana? Tsy aiko fa ny fantatro dia niasa nahery ny vavaka ary ny firaisam-pinoanay mivady no nahakasika ny fon’Andriamanitra. Matio 18:19-20: "Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho."
Tononiko amin’ny anaran’i Jesosy fa na inona na inona koa endrika fivontosana amin’ny fiainanao, mety hoe tsy ara-batana mivantana fa amin’ny asa, ny fifandraisana, ny ara-bola…..dia ambarako fa manjavona izany amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Handeha hiara-hiombona am-pinoana isika hangataka fa ho azonao izany.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕