• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 29, 2025

Mpanompon’i Kristy

Andro namoahana Aog 29, 2025

Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo” (Efesiana 6:5-6)

Rehefa nomena andraikitra ianao na inona na inona dia ataovy toy ny ho an’Andriamanitra izany, ataovy amin’ny fo ary ataovy ny fara-herinao hanome ny tsara indrindra. Tsy ho amin’ny andro iray ihany fa isan’andro.

Raha mivarotra ianao ohatra dia aza mangala-tety, aza misoloky, aza mandainga. Mety hoe nahazo tombom-barotra misimisy ianao satria nanao kolikoly fa tadidio fa halan’Andriamanitra ny fanambakana amin’ny endriny rehetra.Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9-10)

Raha miasa aman’olona ianao dia aza manao fanompoana imaso hoe rehefa eo ny lehibe dia toa miasa be sy mihetsiketsika fa rehefa tsy eo izy ireo dia zavatra hafa no mitranga. Misy tanjona ny mpampiasa nametraka anao teo amin’io toerana misy anao io: aza haratsiana eran’ny tanana izy na mety hoe tsy dia tsara aza ny fitondrany anao satria anisan’ny loharanom-pitahiana ho anao izy na tianao na tsia. Tsy misy manisy maloto ao amin’ny dobo izany nefa avy ao ihany no hanovozana rano entina handrahoina sakafo….tsia!! Ny mety ataonao dia mitondra am-bavaka ho azy.

Ataovy amin’ny fo madio ny sitrapon’Andriamanitra. Hisintona ny fitahiana sy ny valim-bavaka eo aminao izany. Ary koa rehefa tonga ny fotoana hoe ianao indray no mitantana olona dia afaka hijinja izay nafafinao ianao, koa alao hery re, mamafaza ny tsara fa hiverina aminao ihany izany.

Tahiana ianao sy ny asanao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.