Mpankató ny Teny

Rehefa avy any am-piangonana matetika dia misy olona iray, izay tsy nandeha tany, manontany foana hoe inona no toriteny tany… Marina e? Ny ankizy matetika mahatadidy fa isika lehibe vao tafavoaka dia tonga dia miatrika ny tontolo indray ka lasa manadinodino. Handeha ataoko hoe tsy isika rehetra sao misy tezitra amiko eo…😄
Ny tena marina dia ny tenin’Andriamanitra no tokony ho be ao am-pontsika mihoatra noho ny olana, ny ahiahy, ny tranga hafa rehetra. Ary tsy hoe be ao am-po lasa tsianjery fotsiny fa tena mila hiainana mihitsy, midika hoe mila saintsainina ary atao izay hampiharana azy. Fantatrao angamba ity andinin-tsoratra masina ity e?
“Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.” Jakoba 1:22-24
Inoako fa rehefa mivoaka ny trano ianao, indrindra moa raha vehivahy 😄, dia mijery fitaratra tsara hoe mety sa tsy mety ny pozinao. Hainao tsara amin’izay fotoana izay hoe efa nihosotra lokomena ianao, voabango milamina tsara ny volo na mbola misy tokony ahintsy kely…. Misy fahatokian-tena lehibe ambadik’izay rehefa iny ianao lasa amin’izay. Azonao amin’izay ny tiana ambara?
Rehefa mankató ny Teny ianao dia mitondra fiadanana sy fahatokian-tena ary fahombiazana eo aminao sy ny ataonao izany. Mipetrapetraka ny zavatra rehetra, afaka mandroso tsy misy ahiahy.
Tsy mihaino fotsiny fa mampihatra. Tsy ilaina ny fahaizana tsianjery ny Baiboly miainga any amin’ny Genesisy hatrany amin’ny Apokalypsy nefa tsy misy fampiharana sy tsy hita miasa eo amin’ny fiainanao ny Teny.
Anio, handeha hisafidy tenin’Andriamanitra iray dia ezahintsika ho ampiharina anio izany? Maninona raha atomboka amin’ny hoe : “Mifalia, hoy Aho indray mifalia”? (Filipiana 4:4) ka ho mpino mpankató fa tsy mpihaino fotsiny.
Hitondra fiovàna eo amin’ny manodidina anao ny fankatoavanao.
Fahagagana ianao!

