MOMBA ANAO IRERY
Mety maro amintsika no mahalala ilay hiran’i Michael Smith hoe “The Heart of Worship”. Hira efa elaela izy io fa mbola mahakasika fon’olona maro ankehitriny. Mandalo ady maro sy fanontaniana tsy nahazoana valiny ny maro fa dia niverina tampoka tao anatin’ny lisitry ny hira henoiko izy io ary tena nahakasika ahy manokana. Marina loatra ny ambaran’ny tononkira ary ilay mpihira kosa dia tsapa fa midera amin’ny Fanahy sy fahamarinana.
Ny tiako hiaviana anio dia hoe mila fantenantsika tsara ny henointsika. Misy hira ambara hoe “kristianina” nefa tena vao maika mitondra alaelo raha tokony hampahery. “'Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.” (1 Jaona 4:1)
“Izahao toetra ny fanahy” dia midika fa mila mamaky Baiboly ianao, mitrandraka ny Teny ka izay henoinao ve mifandraika amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsara raha manana fotoana manokana hamakiana sy handalinana ny Baiboly ianao ka hanovo fahalalana. Amin’ny resaka mozika dia maro ireo mihira sy mandihy mba ahazoana ambiance fa tsy amin’ny Fanahy sy Fahamarinana araky ny voalaza ao amin’ny Jaona 4:24 hoe “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.”
Koa aza entin’ny gadona fotsiny na ny hamanjan’ny mpihira na ny fandokandokan’ny mpitory fa izahao toetra ny fanahy, vokiso ny Teny ao anatinao hanaovanao ny sitrapon’Andriamanitra.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕