• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 23, 2024

🏡 Modia any an-trano

Andro namoahana Des 23, 2024

Tsy nety intsony ny fiainako fa toy ny hoe nifatratra tamin’ny rindrina aho. Izany no tsapako tamin’ny Noely, taona vitsivitsy lasa izay. Nisy fanapahan-kevitra tsy hendry nataoko satria tsy azoko intsony ny fianakaviako, ary tsy azon’izy ireo koa aho. Te handositra tsotr’izao aho.

Noho ny alaheloko, dia nankany Dubaï aho herinandro vitsy alohan’ny Noely. Nanapa-kevitra aho hoe handany ny Noely irery, lavitry ny rehetra.

Tao anatin’izany toerana manirery izany, nisy zavatra nipoitra tao am-poko: naniry mafy ny hahatsapa fahagagana amin’ny Noely aho. Nila mafy ilay Mpamonjy, izay afaka hanamboatra ny fiainako.

Noho izany, nitady tamin’ny Google aho hoe misy fotoana ara-pivavahana ve alohan’ny Noely tao Dubaï ary nahita adiresy iray tao amin’ny hotely aho. Gaga be aho nahita olona 1 000 teo ho eo, tonga nivory tamin’io alina io! Fa ny tena nampitolagaga ahy dia ny hafatra nentin’ilay mpitandrina. Tsy resaka Noely velively no nataony, fa hafatra izay tena nifanojo tamin’ny olako manokana.

Andriamanitra dia mamela anao handositra… satria fantany fa hahita anao Izy.

Ilay mpitandrina dia nilaza matetika hoe : «Tsy maninona na mahatsiaro ho irery sy navelan’olon-drehetra ary ianao, fa Andriamanitra mahita anao! » Ahoana ary no ahafantarany ny toe-javatra lalovako? Tamin’izay aho vao nahatsapa fa tsy afaka mandositra an’Andriamanitra aho. Tsy hitsara ahy akory Izy, fa te hampody ahy any Aminy am-pitiavana.

Hoy ny Salamo:« Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô. Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.» (Salamo 139:1-5)

Nanova ny tapakilako aho ary nody tany an-trano ara-potoana ho an’ny Noely. Tao amin’ilay toerana tokony hisy ahy. Ho fankalazana ny fitiavana.

Tsy voatery mandositra ny olanao ianao. Andriamanitra dia manodidina anao ary miaro anao. Tonga teto Izy mba hihaona aminao. Ary fotoana izao hiverenanao ao Aminy!Modia any an-trano.

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.