• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 22, 2026

Moa ve tsy efa naverinao imbetsaka tamin’Andriamanitra izany ? 🫢

Andro namoahana Mar 22, 2026

“Tsy tokony hanelingelina an’Andriamanitra amin’izany zavatra izany foana ianao..” Efa imbetsaka aho no naheno izany fehezanteny izany ary ahh, manindrona ahy izany.

Eny mazava ho azy, azon’Andriamanitra ny lalovanao, na dia mbola tsy miteny akory aza ianao. Fa isika olombelona, dia mahatsapa fa mila miresaka momba izany. Hmmm.. Andriamanitra mihitsy no namorona antsika tahaka izany, sa tsy izany? šŸ˜„

Na izaho aza - ary mety hahagaga anao izany - dia tsy tena miresaka be loatra. Misoroka ny antso amin’ny finday araka izay azo atao aho.šŸ˜… Ambarako tsotra hoe :”Tsy mila miresaka momba ny fihetseham-poko aho”.. Mandrapaha-tonga ahy midona amin’ny rindrina ka hiantso hoe :”Vonjeo!!” šŸ˜‚

Dia izany mihitsy, misy ireo mihevitra fa tsy mila miresaka, nefa Andriamanitra dia namorona azy ireo miaraka amin’izany filàna lalina izany :”Tsy maintsy miresaka momba izany ”. Ary fantatrao ve ? āž”ļø Raha napetrak’Andriamanitra ato anatiko io filàna io, dia Izy izany no hiresahako voalohany.

Maninona no marary ny ato anatiko rehefa maheno hoe : “Tsy voatery hilaza izany zavatra izany foana ianao…”? Satria - ary tena zava-dehibe loatra - 🧔 Ho an’Andriamanitra dia tsy fitadiavana vahaolana fotsiny ihany izany, fa ny zavatra tadiaviny ambonin'ny zava-drehetra dia ny fifandraisana!

Fantatrao angamba ity andininy ao amin’ny Matio 7:7 : “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.

Manasa anao hiverina Aminy hatrany Andriamanitra, fa amin’izany no hitomboan’ny fifandraisanao Aminy. Satria mijanona eo amin’ny Fanatrehany ianao, ary miresaka Aminy am-pahatokiana.

“Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.” (Salamo 105.4) Eny, mandrakariva. 

Aza avela hisy handresy lahatra anao amin’ny mifanohitra amin’izany, satria mety hamoy ny fanomezana sarobidy indrindra ianao dia ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. šŸ‘‘

Eric CƩlƩrier
Mpanoratra

Eric CƩlƩrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.