Mivavaha tsikelikely π
Tahaka ny ahoana ny handraisanao ny vavaka ? Heveriko fa haintsika izany ara-teoria, tsy misy tsiambaratelo : raha mivavaka bebe kokoa, dia miaina bebe kokoa isika! Eritrereto ireo vehivavy lehibe tao am-piangonana izay nanao ny vavaka ho an’ny hafa ho iraka - izay tena nanova fiainana tokoa!
Fantatrao ve, fa hain’Andriamanitra tanteraka ny fiainanao, ary izany no mahatonga Azy mahatakatra anao kokoa mihoatra noho ny tenanao aza! Voasoratra ao amin’ny Salamo hoe :”Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.” (Salamo 139.1)
Tsy manantena anao hanokana adin’ny iray hivavahana isan’andro Andriamanitra. (Na dia… rehefa mieritreritra izany isika, dia mahita mora foana adin’ny iray hijerena sarimihetsika na tambajotra sosialy, sa tsy izany? π«£)
Fa izao : hain’Andriamanitra izay mahasoa anao - ary tsy te handrara anao an’izany Izy! (Izay mahasoa na izay mety handratra anao dia hianaranao miaraka Aminy. π)
Dia ahoana izany no tena atao mba hivavahana bebe kokoa? Tsotra fotsiny : π Mifandraisa tsy tapaka Aminy ao anatinao mandritra ny tontolo andronao. Zarao Aminy ny zava-drehetra : ny fanambinao, ny fahadisoam-panantenanao tahaka ireo izay nahafaly anao.
Rehefa mahita renim-pianakaviana vizana ianao eo anoloanao, miaraka amin’ny zanany izay mikiakiaka eo amin’ny fandoavam-bola, dia mivavaha ho azy ao am-ponao mba hihaona aminy Andriamanitra. Oh, tena tiako ny manao izany! π
Azoko an-tsaina ireo anjely izay manidina teo noho eo hihaona aminy mba hanova ny fiainany. Dia any andro rehefa any an-danitra, haheno an’i Jesosy ianao hiteny aminao hoe :”Tadidinao ve tamin’ianao nivavaka ho an’ity olona ity? Izao no nitranga noho ny vavaka nataonao.” π₯°
Oh, aza hamaivanina izay mitranga rehefa mivavaka ianao. Vao mieritreritra an’izany aho dia te hivavaka misimisy hatrany, na dia vavaka fohy aza izany matetika! Dia azoko loatra ilay ambaran’ny Baiboly hoe :”Mivavaha ka aza mitsahatra” (1 Tesaloniana 5.17)
Aza avela hanakana anao tsy hahazo izay tiany homena anao ny vavaka…
Ianao sy ny hafa !